Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92


Fizarana 92

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 15 martsa 1833. Ity fanambarana ity dia manome torolalana an’i Frederick G. Williams izay vao haingana no nanendrena azy ho mpanolotsaina an’i Joseph Smith, mikasika ny andraikiny ao amin’ny Orinasa Miray (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 78 sy 82).

1–2, Fanomezan’ny Tompo didy momba ny fandraisana ao amin’ny lamina miray.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo, omeko ny lamina amiray voaorina araka ny didy nomena tany aloha, ny fanambarana sy ny didy momba an’i Frederick G. Williams mpanompoko, dia ny handraisanareo azy ao amin’ny lamina. Izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra.

2 Ary ankoatra izany, dia lazaiko anao ry Frederick G. Williams mpanompoko, ho mpikambana mavitrika ao amin’izany lamina izany ianao; ary raha mahatoky amin’ny fitandremana ny didy teo aloha rehetra ianao dia hotahina mandrakizay. Amena.