Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9


Fizarana 9

Fanambarana nomena an’i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny volana aprily 1829. Nanarina i Oliver mba hanam-paharetana, ary notaomina izy tamin’izay fotoana izay hianina amin’ny fanoratana ny teny notononin’ny mpandika teny fa tsy hiezaka handika.

1–6, Mbola tokony hadika ireo rakitsoratra tranainy hafa; 7–14, Nadika tamin’ny alalan’ny fandinihana sy tamin’ny fanamafisan’ny Fanahy ny Bokin’i Môrmôna.

1 Indro, lazaiko anao anaka, fa satria tsy anandika araka izay nirianao Tamiko ianao ary nanomboka bnanoratra indray ho an’i Joseph Smith zanany mpanompoko, dia tiako ny hanohizanao, ambara-pahavitanao ity rakitsoratra ity, izay efa nankiniko taminy.

2 Ary rehefa izany, indro, manana arakitsoratra bhafa Aho, ka homeko hery ianao mba hahazoanao manampy amin’ny fandikana.

3 Mahareta anaka, fa fahendrena izany Amiko, ary tsy ilaina ny handikanao teny amin’izao fotoana izao.

4 Indro, ny asa izay iantsoana anao dia ny hanoratra ho an’i Joseph mpanompoko.

5 Ary indro, noho ianao tsy nanohy toy ny nanombohanao, fony ianao nanomboka nandika teny, no nanesorako izany zo izany hiala taminao.

6 Aza amimonomonona anaka, satria fahendrena Amiko ny efa nitondrako anao araka izao fomba izao.

7 Indro, tsy azonao; noheverinao fa homeko anao izany, rehefa tsy nanana eritreritra afa-tsy ny hangataka izany Amiko ianao.

8 Nefa indro, lazaiko anao, fa tokony ahandinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony bhanontany Ahy ianao raha marina izany, ary raha marina izany, dia dhahamay ny ao eanatin’ny tratranao Aho; koa ho ftsapanao fa marina izany.

9 Fa raha tsy marina izany, dia tsy hanana fahatsapana toy izany ianao fa hanana kosa afahadontoan’ny saina, izay hahatonga anao hanadino ny zavatra izay diso; koa tsy afaka manoratra izay masina ianao raha tsy omena anao avy Amiko izany.

10 Ankehitriny, raha nahafantatra izany ianao dia ho afaka anandika teny; kanefa dia tsy ilaina ny handikanao teny izao.

11 Indro, nilaina izany fony ianao nanomboka; saingy anatahotra ianao, ary efa dila ny fotoana, ary tsy ilaina izany ankehitriny;

12 Satria tsy hitanao va fa efa nomeko tanjaka ampy i aJoseph mpanompoko mba hamenoana izany? Ary tsy nanameloka na iza na iza taminareo Aho.

13 Ataovy ity zavatra izay efa nandidiako anao ity, dia hiroborobo ianao. Aoka ho mahatoky, ary aza milefitra amin’ny afakam-panahy.

14 Tomoera tsara amin’ny aasa izay efa bniantsoako anao, dia tsy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanao aza, ary dhasandratra ianao amin’ny andro farany. Amena.