Fanampiana amin’ny fandalinana
Fisoronana Aharôna


Fisoronana Aharôna

Ny fisoronana ambany (Heb. 7:11–12; F&F 107:13–14). Ny anjara fanompoana ao aminy dia ny: eveka, mpisorona, mpampianatra ary diakôna (F&F 84:30; 107:10, 14–15, 87–88). Fahiny, teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy, dia nisy ireo mpisorona avo, mpisorona ary Levita. Satria nikomy tamin’ Andriamanitra ny Isiraelita fahizay dia nalaina avy teo anivon’izy ireo i Mosesy sy ny fisoronana masina fa ny fisoronana ambany no nitohy. Nolavin’izy ireo ny hohamasinina sy ny handray ny Fisoronana Melkizedeka mbamin’ny ôrdônansiny. (Jereo F&F 84:23–26.) Ny Fisoronana Aharôna dia mitantana ny ôrdônansy ara-nofo sy araka ny fomba ivelany amin’ny lalàna sy ny filazantsara (1 Tan. 23:27–32; F&F 84:26–27; 107:20). Izany dia mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa (F&F 13). Naverina indray eto an-tany ho an’izao fotoampitantanana izao ny Fisoronana Aharôna ny 15 mey 1829. Jaona Mpanao Batisa no nanolotra izany an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery teo akaikin’i Harmony, Pennsylvania (F&F 13; JS—T 1:68–73).