Fanampiana amin’ny fandalinana
Abed-Nego


Abed-Nego

Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Sadraka, i Mesaka ary i Abed-Nego dia tanora Isiraelita telo, izay niara-nentina tamin’i Daniela ho ao an-dapan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Ny anaran’i Abed-Nego amin’ny fiteny Hebreo dia Azaria. Nolavin’ireo tanora efa-dahy ny handoto ny tenany amin’ny fihinanana amin’ny hanina sy ny divain’ny mpanjaka (Dan. 1). Natsipin’ny mpanjaka tao amin’ny lafaoro misy afo mirehitra i Sadraka, i Mesaka ary i Abed-Nego fa narovana tamin’ny fomba mahagaga (Dan. 3).