Fanampiana amin’ny fandalinana
Abrahama


Abrahama

Zanakalahin’i Tera, teraka tao Oran’ny Kaldeana (Gen. 11:26, 31; 17:5). Mpaminanin’ny Tompo izay nifanaovan’ny Tompo fanekempihavanana naharitra mandrakizay, ka amin’izany no itahiana ny firenena rehetra ety an-tany. Abrama no anaran’i Abrahama tany am-piandohana.

Ny bokin’i Abrahama

Rakitsoratra tranainy nosoratan’i Abrahama izay lasa fananan’ny Fiangonana tamin’ny taona 1835. Ny rakitsoratra sy ireo faty maina vitsivitsy dia hitan’i Antonio Lebolo, tao amin’ny zohim-pasana Egyptiana, izay nampandova azy ireo an’i Michael Chandler. Nampiranty azy ireo tany Etazonia i Chandler tamin’ny taona 1835. Naman’i Joseph Smith vitsivitsy no nividy azy ireo tamin’i Chandler ary nanome azy ireo ho an’ny Mpaminany izay nandika azy ireo. Hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ankehitriny ny sasany amin’ireo rakitsoratra ireo.

Toko 1 dia mirakitra ny fiainana nodiavin’i Abrahama tao Oran’ny Kaldeana, izay nanandraman’ireo mpisorona ratsy fanahy hanaovana sorona azy. Toko 2 dia mitantara ny diany ho any Kanana. Niseho taminy ny Tompo ary nanao fanekempihavanana taminy. Toko 3 dia mirakitra fa nahita ny tontolo i Abrahama ary nahatakatra ny fifandraisan’ireo zavatry ny lanitra. Toko 4–5 fitantarana iray hafa ny amin’ny Fahariana.

Ny taranak’i Abrahama

Olona izay mandray, noho ny fankatoavany ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nifanaovan’ Andriamanitra tamin’i Abrahama. Mety handray ireo fitahiana ireo ny lehilahy sy ny vehivavy raha avy amin’ny taranak’i Abrahama ara-bakiteny izy ireo na raha miditra ho fianakaviany amin’ny fanekena ny filazantsara ary atao batisa (Gal. 3:26–29; 4:1–7; F&F 84:33–34; 103:17; 132:30–32; Abr. 2:9–11). Mety hamoy ny fitahiana azony ireo taranak’i Abrahama ara-bakiteny noho ny tsy fankatoavany (Roma. 4:13; 9:6–8).