Fanampiana amin’ny fandalinana
Asan’ny Apôstôly


Asan’ny Apôstôly

Ity boky ity no faharoa amin’ireo asa soratra roa nosoratan’i Lioka ho an’i Teofilo. Ny asa soratra voalohany dia fantatra amin’ny hoe: ny Filazantsara Araka an’i Lioka. Ny toko 1–12 dia mirakitra ny sasany amin’ireo asa fitoriana lehibe nataon’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo teo ambany fitarihan’i Petera avy hatrany, taorian’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Ny toko 13–28 dia manoritra ny dian’i Paoly Apôstôly sy ny asa fitoriana.