Fanampiana amin’ny fandalinana
Almà, Zanakalahin’i Almà


Almà, Zanakalahin’i Almà

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny lohan’ny mpitsara voalohany sady mpaminany teo amin’ny firenena Nefita. Tamin’ny fahatanorany, dia nokatsahiny ny handrava ny Fiangonana (Môzià 27:8–10). Niseho taminy anefa ny anjely iray ka niova fo ho amin’ny filazantsara izy (Môzià 27:8–24; Almà 36:6–27). Taty aoriana dia nafoiny ny toerany maha-lohan’ny mpitsara azy mba hahazoany mampianatra ny vahoaka (Almà 4:11–20).

Ny bokin’i Almà

Boky miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, mirakitra ny famintinana ny rakitsoratry ny mpaminany isany: Almà, ny zanakalahin’i Almà ary i Helamàna zanakalahiny. Ny toe-javatra notantaraina ao amin’ny boky dia nitranga tokony ho 91 ka hatramin’ny 52 taona talohan’i Kristy. Misy toko 63 ao amin’ny boky. Toko 1–4 dia mitantara ny fikomian’ireo mpanara-dia an’i Nehora sy i Amlisy tamin’ny Nefita. Ireo ady vokatr’izany hatramin’io fotoana io teo amin’ny tantaran’ny Nefita no isan’ny tena nandripaka aina indrindra. Toko 5–16 dia mirakitra ny fitantarana ny asa fitoriana santatra nataon’i Almà, ahitana ny toriteniny momba ny Mpiandry ondry Tsara (Almà 5) sy ny fitoriany voalohany tamin’i Amioleka tao an-tanànan’i Amônihà. Toko 17–27 dia misy ny raikitsoratr’ireo zanakalahin’i Môzià mbamin’ny asa fanompoany teo anivon’ny Lamanita. Toko 28–44 dia mirakitra ny sasany amin’ireo toritenin’i Almà mavesa-danja indrindra. Nampitaha ny teny amin’ny voa iray i Almà ao amin’ny toko 32; nitantara indray ny fiovam-pony tamin’i Helamàna zanakalahiny izy ao amin’ny toko 36. Toko 39–42 dia mirakitra ny anatr’i Almà ho an’i Kôriantôna zanakalahiny izay voarohirohy tamin’ny fandikana fitsipi-pitondrantena; ity lahateny mafonja ity dia manazava ny amin’ny fahamarinana, ny famindram-po, ny Fitsanganana amin’ny maty ary ny Sorompanavotana. Toko 45–63 dia mitantara ireo adin’ny Nefita tamin’izay fotoana izay mbamin’ny fifindramoniny teo ambany fiahian’i Hagôta. Mpitondra lehibe toa an’i Môrônia Kapiteny, i Teankoma ary i Lehia no nanampy tamin’ny fitsimbinana ny Nefita noho ny asa be herim-po sy voalanjalanja nataony.