Fanampiana amin’ny fandalinana
Amalekita (Testamenta Taloha)


Amalekita (Testamenta Taloha)

Fokom-pirenena Arabo izay nonina tao amin’ny tany efitr’i Parana, teo anelanelan’ny Araba sy ny Ranomasina Mediteranea. Namaky ady mandrakariva tamin’ny Hebreo izy ireo hatramin’ny andron’i Mosesy (Eks. 17:8) ka hatramin’ny andron’i Saoly sy i Davida (1 Sam. 15; 27:8; 30; 2 Sam. 8:11–12).