Fanampiana amin’ny fandalinana
Amena


Amena

Ny heviny dia ny hoe: “ho tanteraka anie izany” na “izany tokoa.” Tononina ny Amena hanehoana ny fanekena sy ny fanoavana avy ao am-po (Deot. 27:14–26) ary amin’ny fomba hentitra na hanehoana ny fahamarinana (1 Mpan. 1:36). Ankehitriny, amin’ny fiafaran’ny vavaka, ny fijoroana ho vavolombelona ary ny toriteny, ireo izay nihaino ny vavaka na ny hafatra dia manonona Amena hanambarany ny fanoavany sy ny fanekeny.

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, ny olona dia tokony hanonona hoe amena rehefa manao fianianana (1 Tan. 16:7, 35–36; Neh. 5:12–13; 8:2–6). Kristy dia atao hoe “ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina” (Apôk. 3:14). Amena koa dia natao ho famantarana ny fanekempihavanana tao amin’ny Sekolin’ireo Mpaminany (F&F 88:133–135).