Fanampiana amin’ny fandalinana
Amosa


Amosa

Mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha, izay naminany sahabo ho 792 ka hatramin’ny 740 taona talohan’i Kristy, tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda sy i Jeroboama, mpanjakan’i Isiraely.

Ny bokin’i Amosa

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha. Maro amin’ireo faminanian’i Amosa no mananatra an’i Isiraely sy ireo firenena manodidina azy mba hiverina amin’ny fahamarinana.

Toko 1–5: miantso an’i Isiraely sy ireo firenena manodidina azy ho amin’ny fibebahana. Toko 3: manazava fa ny Tompo dia manambara ny tsiambaratelony amin’ireo mpaminany, fa horavan’ny fahavalo i Isiraely noho ny fandikan-dalàna. Toko 6–8 mamin’ny ny faharavan’i Isiraely, taona maro mialoha ny fanafihan’ny Asiriana. Toko 9 mamin’ny fa hampodiana indray eo amin’ny taniny i Isiraely.