Fanampiana amin’ny fandalinana
Asa (Testamenta Taloha)


Asa (Testamenta Taloha)

Ao amin’ny Testamenta Taloha, mpanjaka fahatelon’i Joda. Ny soratra masina dia mirakitra fa “nahitsy teo imason’i Jehovah ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany” (1 Mpan. 15:14). Nandritra ny fitondrany, dia nanangana tafika mahomby izy ka nanjera ny ziogan’ny Etiopiana, nanaisotra ny fahavetavetana ary nanainga ny olona hanao fanekena mba hitady an’i Jehovah (1 Mpan. 15–16; 2 Tan. 14–16). Nony efa narary tao amin’ny tongony anefa izy dia tsy nikatsaka ny fanampian’ny Tompo ka maty (1 Mpan. 15:23–24; 2 Tan. 16:12–13).