Fanampiana amin’ny fandalinana
Asyria


Asyria

Fanjakana taloha izay nanapaka, niaraka tamin’i Babylona rafiny, ny ankamaroan’ireo fanjakana tranainy tamin’i Syria sy i Palestina nandritra ny ankabeazan’ny fotoan’ny Testamenta Taloha. Na dia fanjakana matanjaka aza ny Asyriana hatreo amin’ny tapaky ny taonjato faha-12 taona talohan’i Kristy ka hatramin’ny fiafaran’ny taonjato faha-7 taona talohan’i Kristy, dia tsy hainy na oviana na oviana ny nanangana rafi-pitondrana pôlitika naharitra. Izy ireo dia nitondra, tamin’ny alalan’ny fampihorohoroana, ny famongorana ny fahavalony tamin’ny afo sy ny sabatra, na ny fandripahana azy tamin’ny famindran-toerana ny ankamaroan’ny mponina ho any amin’ireo faritra hafa amin’ny fanjakany. Ireo olona teo ambanin’ny ziogan’ny Asyriana dia nitolona tsy tapaka nanohitra ilay fanjakana. (Jereo 2 Mpan. 18–19; 2 Tan. 32; Isa. 7:17–20; 10; 19; 37.)