Fanampiana amin’ny fandalinana
Batisa


Batisa

Ilay teny nampiasaina tao anatin’ilay lahatsoratra Grika avy any ifotony dia midika hoe “mandroboka” na “manitrika”. Ny batisa asitrika ao anaty rano, ataon’izay nahazo fahefana no ôrdônansy voalohany amin’ny filazantsara ary ilaina mba hahatonga ny olona ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ialohavan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana izany. Tsy maintsy arahin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina izany vao feno. (2 Ne. 31:13–14). Ilaina ny batisa amin’ny rano sy ny Fanahy mialoha ny hahafahan’ny olona miditra ny fanjakana selestialy. Adama no natao batisa voalohany (Mos. 6:64–65). Jesoa koa dia natao batisa mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra ary hanoro ny lalana ho an’ny olombelona rehetra (Mat. 3:13–17; 2 Ne. 31:5–12).

Noho ireo olona rehetra niaina teto an-tany tsy nanana fahafahana hanekena ny filazantsara nandritra ny toetra ny mety maty, dia nomen’ny Tompo lalana ny hanaovana ny batisa isoloana tena ny maty. Koa ireo izay manaiky ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia mahazo miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Tsy maintsy atao

Batisa asitrika

Batisa ho famelana ny fahotana

Fahefana ara-dalàna

Toetra takina amin’ny batisa

Fanekempihavanana atao amin’ny alalan’ny batisa

Batisa ho an’ny maty

Tsy natao ho an’ny zaza ny batisa