Fanampiana amin’ny fandalinana
Ateraka


Ateraka

Teraka. Ny miteraka dia ny mamoaka avy ao an-kibo, ny mandatsaka an-tany, ny mahatonga ny olona hisy eto an-tany. Ao amin’ny soratra masina, dia ampiasaina hilazana ny naterak’ Andriamanitra izany teny izany matetika. Na dia i Jesoa Kristy ihany aza no hany zanaka nateraky ny Ray teto amin’ny toetry ny mety maty, ny olona rehetra dia mety haterak’i Kristy ara-panahy amin’ny fanekena Azy, amin’ny fankatoavana ny didiny ka ho tonga olom-baovao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.