Fanampiana amin’ny fandalinana
Devoly


Devoly

Satana. Ny devoly dia fahavalon’ny fahamarinana sy fahavalon’ireo izay mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Ara-bakiteny dia zanak’ Andriamanitra ara-panahy izy ary anjely nanana fahefana taloha teo anatrehan’ Andriamanitra (Isa. 14:12; 2 Ne. 2:17). Nikomy anefa izy tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany sady naharesy lahatra ny ampahatelon’ny zanaky ny Ray ara-panahy hiara-hikomy aminy (F&F 29:36; Mos. 4:1–4; Abr. 3:27–28). Nazera avy tany an-danitra izy ireo sady nolavina ny mety hahazoany vatana mety maty sy ny handiavany fiainana mety maty, fa voaheloka mandrakizay kosa izy ireo. Hatramin’ny fotoana nanjerana ny devoly avy tany an-danitra, dia efa nokatsahiny lalandava ny hamitaka ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ny hitarika azy ireo hiala amin’ny asan’ Andriamanitra, mba hahatonga ny olon-drehetra ho fadiranovana tahaka azy (Apôk. 12:9; 2 Ne. 2:27; 9:8–9).

Ny fiangonan’ny devoly

Rehefa mety ho fikambanana eto an-tany ka mamohehatra sy araka ny fomban’izao tontolo izao, manimba ny filazantsara madio sady fanaperana ary miady amin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra.