Fanampiana amin’ny fandalinana
Edena


Edena

Ny fonenan’i Adama sy i Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany (Gen. 2:8–3:24; 4:16; 2 Ne. 2:19–25; Mos. 3–4; Abr. 5), voalaza ho saha iray ao Edena izay miantsinanana. Noroahina hiala an’i Edena i Adama sy i Eva rehefa nihinana tamin’ny voankazo voarara ary nanjary mety maty (Mos. 4:29). Ny fanambaran’ny Andro Farany dia manamafy ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny Sahan’i Edena. Ampian’izany ny filazana lehibe fa ny saha dia niorina teo amin’izay atao ankehitriny hoe Kaontinanta Amerikana Avaratra.