Fanampiana amin’ny fandalinana
Andriamanitra


Andriamanitra

Misy olona telo miavaka tsara ao amin’ny Andriamanitra: Andriamanitra Ray Mandrakizay; Jesoa Kristy zanany; ary ny Fanahy Masina. Inoantsika ny tsirairay avy Aminy (Fp. 1:1). Ao amin’ny fanambaran’ny andro farany no ianarantsika fa manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina ny Ray sy ny Zanaka, fa ny Fanahy Masina kosa dia olon’ny fanahy, tsy manana nofo sy taolana (F&F 130:22–23). Ireo olona telo ireo dia miray saina sy miray hina tanteraka, sady iray tanjona sy fotopampianarana (Jao. 17:21–23; 2 Ne. 31:21; 3 Ne. 11:27, 36).

Andriamanitra Ray

Amin’ny ankapobeny dia ny Ray na Elohima no tondroina amin’ny hoe Andriamanitra. Atao hoe Ray Izy, satria rain’ny fanahintsika (Nom. 16:22; 27:16; Mal. 2:10; Mat. 6:9; Ef. 4:6; Heb. 12:9). Andriamanitra Ray no mpanapaka faratampony amin’ny tontolo. Izy dia tsy toha (Gen. 18:14; Almà 26:35; F&F 19:1–3), mahalala ny zava-drehetra (Mat. 6:8; 2 Ne. 2:24) ary manerana izao rehetra izao amin’ny alalan’ny Fanahiny (Sal. 139:7–12; F&F 88:7–13, 41). Ny olombelona dia manana fifandraisana manokana amin’ Andriamanitra izay manavaka ny olona amin’ireo zavatra nohariana hafa rehetra: ny lehilahy sy ny vehivavy dia zanak’ Andriamanitra araka ny fanahy (Sal. 82:6; 1 Jn. 3:1–3; F&F 20:17–18).

Vitsy ihany ireo toe-javatra izay nisehoan’ Andriamanitra Ray na nitenenany tamin’ny olona. Milaza ny soratra masina fa niteny tamin’i Adama sy i Eva Izy (Mos. 4:14–31) ary nampahafantatra an’i Jesoa Kristy tamin’ny fotoana maro (Mat. 3:17; 17:5; Jao. 12:28–29; 3 Ne. 11:3–7). Niseho tamin’i Stefana (Asa 7:55–56) sy i Joseph Smith (JS—T 1:17) Izy. Taty aoriana dia samy nisehoany na i Joseph Smith na i Sidney Rigdon (F&F 76:20, 23). Ho an’ireo izay tia an’ Andriamanitra ary manadio ny tenany eo anoloany, dia omen’ Andriamanitra indraindray ny tombontsoa hahitany sy hahalalany manokana fa Izy no Andriamanitra (Mat. 5:8; 3 Ne. 12:8; F&F 76:116–118; 93:1).

Andriamanitra Zanaka

Ny Andriamanitra fantatra amin’ny hoe Jehovah no Jesoa Kristy Zanaka (Isa. 12:2; 43:11; 49:26; 1 Kor. 10:1–4; 1 Tim. 1:1; Apôk. 1:8; 2 Ne. 22:2). Miasa eo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa ary mifandrindra tanteraka Aminy. Ny olombelona rehetra dia rahalahiny sy anabaviny, satria Izy no zokiny indrindra amin’ny zanak’i Elohima ara-panahy. Ny toko sy ny andininy sasany dia manondro Azy amin’ny teny hoe Andriamanitra. Milaza ny soratra masina ohatra fa “nahary ny lanitra sy ny tany Andriamanitra” (Gen. 1:1) ny marina anefa dia i Jesoa no Mpahary teo ambany fitarihan’ Andriamanitra Ray (Jao. 1:1–3, 10, 14; Heb. 1:1–2).

Andriamanitra Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ihany koa ary atao hoe ny Fanahy na ny Fanahin’ Andriamanitra, ankoatra ireo anarana na fiantsoana hafa mitovy amin’izany. Amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina no ahafantaran’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra Ray ary ahafantarany fa i Jesoa no Kristy (1 Kor. 12:3).