Fanampiana amin’ny fandalinana
Isiraely


Isiraely

Nomen’ny Tompo an’i Jakoba, zanakalahin’i Isaka ary zafikelin’i Abrahama, ny anarana hoe Isiraely ao amin’ny Testamenta Taloha (Gen. 32:28; 35:10). Ny anarana hoe Isiraely dia mety manondro an’i Jakoba, ny taranany na ny fanjakana nentin’ireo taranaka ireo fahiny tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha (2 Sam. 1:24; 23:3). Taorian’ny nitondran’i Mosesy ny zanak’i Isiraely niala ny famatoran’ny Egyptiana (Eks. 3–14), dia mpitsara no nanapaka azy ireo nandritra ny telonjato taona mahery. Nanomboka tamin’i Saoly mpanjaka, dia ireo mpanjaka no nanapaka tamin’ny Isiraely iray tsy mivaky ambara-pahatongan’ny fahafatesan’i Solomona, fony ireo foko folo nikomy tamin’i Rehoboama mba hanangana firenena iray mahaleo tena. Rehefa nivaky ny fanjakan’ny Isiraely, ireo foko tao avaratra, noho izy ireo lehibehibe kokoa, dia nitana ny anarana hoe Isiraely fa ny fanjakana tatsimo kosa natao hoe Joda. Ny tany Kanana dia atao koa hoe Isiraely ankehitriny. Amin’ny heviny iray hafa ny hoe Isiraely dia midika ho mpino marina an’i Kristy (Roma. 10:1; 11:7; Gal. 6:16; Ef. 2:12).

Ireo foko roa ambin’ny folo amin’ny Isiraely

Jakoba, zafikelin’i Abrahama, izay novana ho Isiraely ny anarany, dia nanana zanakalahy roa ambin’ny folo. Ny taranak’ireo dia nanjary fantatra tamin’ny hoe ny foko roa ambin’ny folo amin’ny Isiraely na ny zanak’i Isiraely. Izao avy ireo foko roa ambin’ny folo: Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, ary Zebolona (zanakalahin’i Jakoba sy i Lea ireo); Dana sy Naftaly (zanakalahin’i Jakoba sy i Bila ireo); Gada sy Asera (zanakalahin’i Jakoba sy i Zilpa ireo); Josefa sy Benjamin’ny (zanakalahin’i Jakoba sy Rahely) (Gen. 29:32–30:24; 35:16–18).

Nomen’i Jakoba tsodrano ny mpitondra ny foko tsirairay talohan’ny nahafatesany (Gen. 49:1–28). Ho fanampim-panazavana dia jereo tsirairay ny anaran’ny zanakalahin’i Jakoba.

Robena, ny lahimatoan’i Jakoba tamin’i Lea, vady voalohany, dia namery ny tsodranon’ny fizokiana mbamin’ny roa avo heny amin’ny anjara lovany noho ny fahalotoam-pitondrantena (Gen. 49:3–4). Dia nomena an’i Josefa, ny lahimatoan’i Jakoba tamin’i Rahely, vady faharoany ny fizokiana (1 Tan. 5:1–2). Levy, izay efa nofidian’ny Tompo mba hanompo ho mpitantana ny fisoronany, dia tsy nahazo lova noho ny antsony manokana mba hanompo eo anivon’ny foko rehetra. Izany dia nahafahana nizara ny roa avo heny amin’ny anjaran’i Josefa ho Efraima sy i Manase (1 Tan. 5:1; Jer. 31:9), ireo zanakalahin’i Josefa, izay nisaina ho toy ny foko mahaleo tena amin’ny Isiraely (DJS, Gen. 48:5–6 [Tovana]).

Ireo olona amin’ny fokon’i Joda no tokony ho mpanapaka ambaram-pahatongan’ny Mesia (Gen. 49:10; DJS, Gen. 50:24 [Tovana]). Ny fokon’i Efraima dia manana ny tombontsoa hitondra ny hafatry ny filazantsara naverina ho amin’ny laoniny ho eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny fanangonana ny Isiraely naely patrana amin’ny andro farany (Deot. 33:13–17). Ho avy ny fotoana izay hananan’i Efraima anjara fitarihana amin’ny fanakambanana ireo fokon’ny Isiraely rehetra amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (Isa. 11:12–13; F&F 133:26–34).

Ny fampielezana ny Isiraely

Nampiely sy nanafay ny foko roa ambin’ny folo amin’ny Isiraely ny Tompo noho ny tsy fahamarinany sy ny fikomiany. Na izany aza, dia nampiasain’ny Tompo koa izany fampielezana ny olom-boafidiny tany anivon’ireo firenena teo amin’izao tontolo izao izany hitahiana ireny firenena ireny.

Ny fanangonana ny Isiraely

Ny mpianakavin’i Isiraely dia hiara-hangonina amin’ny andro farany mialoha ny fiavian’i Kristy (Fp. 1:10). Manangona ny Isiraely olony ny Tompo rehefa manaiky Azy izy ary mitandrina ny didiny.

Ireo foko folo very amin’ny Isiraely

Ny foko folo amin’ny Isiraely no nanangana ny fanjakan’i Isiraely sy lasan-ko babo tany Asiria tamin’ny 721 taona talohan’i Kristy. Nandeha nankany amin’ireo “Tany Avaratra” izy ireo ka nanjary very tsy fantatry ny hafa. Hiverina izy ireo amin’ny andro farany.