Fanampiana amin’ny fandalinana
Jesoa Kristy


Jesoa Kristy

Ny teny hoe Kristy (teny Grika) sy Mesia (teny Hebreo) dia samy midika hoe “ilay voahosotra”. Jesoa Kristy no Lahimatoan’ny Ray tao amin’ny fanahy (Heb. 1:6; F&F 93:21). Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray tao amin’ny nofo (Jao. 1:14; 3:16). Jehovah Izy (F&F 110:3–4) ary natokana mialoha ho amin’ny antso lehibe talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao. Nahary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy i Jesoa teo ambany fitarihan’ny Ray (Jao. 1:3, 14; Mos. 1:31–33). Naterak’i Maria tao Betlehema Izy, tsy nanana ota tamin’ny fiainany sady nahavita sorompanavotana fanaperana ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra tamin’ny nandatsahana ny rany sy ny nanomezany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana (Mat. 2:1; 1 Ne. 11:13–33; 3 Ne. 27:13–16; F&F 76:40–42). Nitsangana tamin’ny maty Izy, koa azo antoka araka izany ny fitsanganan’ny olombelona rehetra amin’ny maty. Noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty vitan’i Jesoa, ireo izay mibebaka amin’ny fahotany ary mankatò ny didin’ Andriamanitra dia afaka miara-miaina mandrakizay amin’i Jesoa sy ny Ray (2 Ne. 9:10–12; 21–22; F&F 76:50–53, 62).

Jesoa Kristy no mananaina lehibe indrindra teraka teto an-tany. Tokony hotahafin’ny olombelona rehetra ny ohatra fanaperana nitondrany ny fiainany. Tokony hatao amin’ny anarany avokoa ny vavaka, ny fitsofan-drano ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Izy no Tompon’ny tompo, Mpanjakan’ny mpanjaka, Mpahary, Mpamonjy, ary Andriamanitry ny tany manontolo.

Ho avy indray amin’ny hery sy ny voninahitra i Jesoa Kristy mba hanjaka eto an-tany mandritra ny Arivotaona. Hitsara ny olombelona rehetra Izy amin’ny andro farany (Almà 11:40–41; JS—M 1).

Famintinana ny fiainany (araka ny fifampitohizan’ireo toe-javatra)

Fahefana

Faminaniana ny amin’ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy

Fanjakan’i Kristy amin’ny Arivotaona

Fisehoan’i Kristy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty

Fisian’i Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany

Fitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy

Lohan’ny Fiangonana

Mpitsara

Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Tandindona na sarinteny momba an’i Kristy

Tenivavolombelona natao momba an’i Jesoa Kristy

Voninahitr’i Jesoa Kristy