Fanampiana amin’ny fandalinana
Jezebela


Jezebela

Vehivavy mamohehatra ao amin’ny Testamenta Taloha avy amin’ny tanin’i Foinisia. Izy dia vadin’i Ahaba (1 Mpan. 16:30–31), mpanjakan’i Isiraely izay nanjaka fony i Elia no mpaminany.

Ny fanambadian’i Jezebela an’i Ahaba dia hafa noho ny toe-javatra nisy rehetra fa nahatonga ny fianjeran’ny fanjakan’i Isiraely Avaratra; avy tany amin’ny taniny no nentin’i Jezebela nampidirina tao Isiraely ny fomba ratsy indrindra amin’ny fanompoan-tsampy ho solon’ny fanompoana an’i Jehovah (1 Mpan. 18:13, 19).