Fanampiana amin’ny fandalinana
Fitiavana


Fitiavana

Firaiketam-po sy fankamamiana lalina. Ny fitiavana an’ Andriamanitra dia mirakitra firaiketam-po, fitsaohana, fanajana, lemim-panahy, famindram-po, famelan-keloka, fangorahana, fahasoavana, fanompoana, fankasitrahana, hatsaram-panahy. Ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany dia hita ao amin’ny Sorompanavotana tsisy fetra nataon’i Jesoa Kristy.