Fanampiana amin’ny fandalinana
Mosesy


Mosesy

Mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha izay nitarika ny Isiraelita niala tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana sy nanome azy ireo fehezan-dalàna ara-pivavahana, ara-piarahamonina, ary ara-tsakafo araka izay nambaran’ Andriamanitra.

Nihoatra ny fetran’ny fotoana niainany teto an-tany ny fanompoan’i Mosesy. Nampianarin’i Joseph Smith fa tonga teo an-tendrombohitry ny fiovan-tarehy niaraka tamin’i Elia izy ary nanolotra ny fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona (Mat. 17:3–4; Mar. 9:4–9; Lio. 9:30; F&F 63:21).

Niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland, Ohio i Mosesy tamin’ny 3 aprily 1836, ary nanolotra azy ireo ny fanalahidin’ny fanangonana ny Isiraely (F&F 110:11).

Miresaka betsaka momba an’i Mosesy ny fanambaran’ny andro farany. Voatonona matetika izy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ianarantsika avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny momba ny fanompoany (F&F 84:20–26) sy ny nandraisany ny fisoronana avy amin’i Jetro rafozan-dahiny (F&F 84:6).

Ny fanambaran’ny andro farany dia manamafy ihany koa ny tantaran’ny Baiboly momba ny fanompoany teo anivon’ny zanak’i Isiraely, sady manamafy fa izy no nanoratra ireo boky dimy izay manomboka ny Testamenta Taloha (1 Ne. 5:11; Mos. 1:40–41).

Ny bokin’i Mosesy

Boky iray ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy izay mirakitra ny fandikan-teny nentanim-panahy nataon’i Joseph Smith tamin’ireo toko fito voalohany ao amin’ny Genesisy.

Toko 1: mirakitra ny fahitana nahitan’i Mosesy an’ Andriamanitra, izay nanambara taminy ny drafitry ny famonjena iray manontolo. Toko 2–5: fitantaràna ny Fahariana sy ny Fahalavoan’ny olona. Toko 6–7: mirakitra fahitana momba an’i Enoka sy ny fanompoany teto an-tany. Toko 8: mirakitra fahitana momba an’i Noa sy ny safo-drano lehibe.

Ny boky dimy an’i Mosesy

Ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha dia fantatra ho ny bokin’i Mosesy. Nirakitra ireo bokin’i Mosesy ny takela-barahina nalain’i Nefia tamin’i Labàna (1 Ne. 5:11).