Fanampiana amin’ny fandalinana
Môzià, Zanakalahin’i Benjamina


Môzià, Zanakalahin’i Benjamina

Mpanjaka Nefita marin-toetra sady mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nanaraka ny ohatra marina nasehon’ny rainy i Môzià (Môzià 6:4–7). Nandika ireo takela-bolamena efatra amby roapolo mirakitra ny tantaran’ny Jaredita izy (Môzià 28:17).

Ny bokin’i Môzià

Boky iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Toko 1–6: mirakitra ny toriteny mahery nataon’i Benjamina tamin’ny vahoakany. Nikasika ny fon’ny vahoaka ny Fanahin’ny Tompo ka niova fo sy tsy nanam-paniriana hanao ratsy intsony izy ireo. Toko 7–8: mitantara momba ny andiana Nefita izay lasa nipetraka tao amin’ny tanin’ny Lamanita. Nisy andiana mpikaroka, nirahina hitady azy ireo. I Amôna, mpitondra ireo andiana mpikaroka, no nahita azy ireo sy nianatra ny tantaran’ny fijaliany teo ambany fangejan’ny Lamanita. Toko 9–24: manoritsoritra izany fangejana izany sy ny fomba niainan’i Zenifa, i Noà, ary i Limia mpitondra azy ireo teo ambanin’ny Lamanita. Voarakitra ihany koa ny fampijaliana nanjo ny mpaminany antsoina hoe Abinadia. Niova fo nandritra ny fitsarana an’i Abinadia i Almà. Toko 25–28: mitantara ny fiovam-pon’ny zanakalahin’i Almà sy ireo efa-dahy zanaky ny mpanjaka Môzià. Toko 29: nafaran’ny mpanjaka Môzià ny hanoloana ny rafitra mpanjaka amin’ny rafitra mpitsara. I Almà zanakalahin’i Almà no lany ho lohan’ny mpitsara voalohany.