Fanampiana amin’ny fandalinana
Môzià, Zanakalahin’i


Môzià, Zanakalahin’i

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ireo efa-dahy zanaky ny Mpanjaka Môzià, izay niova fo rehefa niseho tamin’izy ireo sy niantso azy hibebaka ny anjely iray. I Amôna, i Aharôna, i Ômnera, ary i Himnia no anaran’izy ireo (Môzià 27:34). Nandany efatra ambin’ny folo taona nitoriana ny filazantsara tamim-pahombiazana tamin’ny Lamanita izy. Omena ao amin’ny bokin’i Almà, toko 17 ka hatramin’ny 26 ny tantaran’ny asa fanompoany teo anivon’ny Lamanita.