Fanampiana amin’ny fandalinana
Olona araka ny Nofo


Olona araka ny Nofo

Olona mifidy ny hotarihin’ny firehetampo, ny faniriana, ny filàna ary ny fahatsapan’ny nofo noho izay ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny olona toy izany dia afaka mahatakatra ny zavatra ara-nofo fa tsy ny zavatra ara-panahy. Ara-nofo, na mety maty avokoa ny olon-drehetra noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Tsy maintsy ateraka indray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona tsirairay vao mitsahatra tsy ho olona araka ny nofo.