Fanampiana amin’ny fandalinana
Paoly


Paoly

Apôstôly iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Saoly no anaran’i Paoly amin’ny Hebreo, ary izany no anarana nentiny talohan’ny nanombohan’ny asa fitoriany tamin’ny Jentilisa. Nanenjika ny Fiangonana izy teo aloha saingy nanaiky ny fahamarinany rehefa nahita an’i Jesoa Kristy tamin’ny fahitana. Nanao dia fitoriana filazantsara telo lehibe i Paoly ary nanoratra taratasy maro tamin’ny Olomasina. Nandrafitra ny ampahany amin’ny Testamenta Vaovao ankehitriny ny efatra ambin’ny folo amin’ireo taratasy ireo. Nentina ho gadra tany Roma izy tamin’ny farany ary novonoina tokony ho tamin’ny lohataonan’ny 65 taona taorian’i Kristy.