Fanampiana amin’ny fandalinana
Vavaka


Vavaka

Fifandraisana ombam-panajana amin’ Andriamanitra, ka mandritra izany no isaoran’ny olona sy angatahany fitahiana. Avantana amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ny vavaka. Azo tononina mafy na atao amim-pahanginana ny vavaka. Mety ho vavaka ihany koa ny eritreritry ny olona iray raha toa izany miantefa any amin’ Andriamanitra. Ny hiran’ny olo-marina dia mety ho vavaka amin’ Andriamanitra (F&F 25:12).

Ny tanjon’ny vavaka dia tsy hanova ny sitrapon’ Andriamanitra, fa ny hahazoantsika sy ny hafa ireo fitahiana izay efa tian’ Andriamanitra homena, saingy tsy maintsy angatahina vao azontsika.

Mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Kristy isika (Jao. 14:13–14; 16:23–24). Mahay mivavaka marina amin’ny anaran’i Kristy isika rehefa ny fanirian’i Kristy no faniriantsika (Jao. 15:7; F&F 46:30). Amin’izany dia ny zavatra marina, ka azon’ Andriamanitra omena antsika no angatahantsika (3 Ne. 18:20). Tsy ahazoam-baliny ny vavaka sasany noho izy ireny tsy maneho ny fanirian’i Kristy fa vokatry ny fitiavan-tenan’ny olona fotsiny (Jak. 4:3; F&F 46:9). Koa raha mangataka zava-tsy marina amin’ Andriamanitra isika dia hivadika ho fanamelohana ho antsika izany (F&F 88:65).