Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiavonavonana


Fiavonavonana

Tsy fahampiana na tsy fananana fanetrentena sy fanekena anatra. Mitondra fifanoherana amin’ny olona samy olona sy amin’ Andriamanitra ny fiavonana. Ny olona miavona dia mametraka ny tenany ho ambonin’ny manodidina azy ary manaraka ny sitrapon’ny tenany fa tsy ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fihamboana, ny fitsiriritana, ny fahamafisam-po ary ny fietraketrahana dia mariky ny olona mpiavona ihany koa.