Fanampiana amin’ny fandalinana
Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara


Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara

Famerenan’ Andriamanitra ireo fahamarinana sy ireo ôrdônansin’ny filazantsarany amin’ny olona eto an-tany. Very teto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy noho ny apôstazia izay nitranga taorian’ny fanompoan’ny Apostolin’i Kristy teto an-tany. Izany apôstazia izany no nilana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fahitana, ny fanompoan’ny anjely, ary ny fanambarana tamin’ny olona ety an-tany. Nanomboka tamin’ny mpaminany Joseph Smith ny famerenana amin’ny laoniny (JS—T 1; F&F 128:20–21) ary mitohy hatramin’izao amin’ny alalan’ny asan’ireo mpaminany velon’ny Tompo.