Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanambaran’i Jaona


Fanambaran’i Jaona

Boky farany ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mirakitra ny fanambarana nomena an’i Jaona Apôstôly. Navela ho hitany ny tantaran’izao tontolo izao, indrindra fa ny andro farany (Apôk. 1:1–2; 1 Ne. 14:18–27; F&F 77). Fantatra koa amin’ny anarana Apôkalipsy ny fanambaran’i Jaona.

Nandray io fanambarana io tamin’ny andron’ny Tompo i Jaona, tao amin’ny nosy Patmo (Apôk. 1:9–10), izay manamorona ny morontsirak’i Asia, tsy lavitra an’i Efesosy. Tsy fantatra ny tena datin’ny fanambarana.

Hita ao amin’ny 1 Nefia 14:18–27 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 ireo fanalahidy ahazoana mahatakatra ny boky (Etera 4:15–16).

Toko 1–3: fanolorana ny boky sy ny taratasy ho an’ireo fiangonana fito tany Asia. Nanoratra ny taratasy i Jaona mba hanampiana ny olomasina hamaha olana sasantsasany. Toko 4–5: mirakitra ny fahitana azon’i Jaona izay mampiseho ny fahamboniana sy ny fahamarinan’ny herin’ Andriamanitra sy i Kristy. Toko 6–9, 11: fitantaran’i Jaona ny fahitany boky nofehezina tamin’ny kase fito ka ny kase tsirairay dia maneho arivo taona amin’ny tantaran’ny tany. Miresaka indrindra ny zava-mitranga voarakitra ao amin’ny kase fahafito ireo toko ireo (jereo Apôk. 8–9; 11:1–15). Toko 10: miresaka ny boky izay nohanin’i Jaona. Maneho ny asa hanirahana izay mbola hotanterahin’i Jaona izany boky izany. Toko 12: mirakitra ny fahitana ny faharatsiana izay nanomboka tany an-danitra raha nikomy sy noroahina i Satana. Mbola mitohy ety an-tany ny ady izay nanomboka tany. Toko 13, 17–19: firesahan’i Jaona ny amin’ny fanjakana ratsy eto an-tany izay fehezin’i Satana, ary koa firaketana ny hiafaran’izy ireo ka isan’izany ny famongorana ny ratsy. Toko 14–16: miresaka ny fahamarinan’ny olomasina eo anivon’ny faharatsiana mialoha indrindra ny Fiavian’i Kristy Fanindroany. Toko 20–22: milaza ny amin’ny Arivotaona, ny tanàna mahafinaritra dia i Jerosalema Vaovao, ary ny zava-nitranga farany eo amin’ny tantaran’ny tany.