Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanambarana


Fanambarana

Fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny zanany ety an-tany. Ny fanambarana dia mety ho azo amin’ny alalan’ny fahazavan’i Kristy sy ny Fanahy Masina amin’ny endrika fitaoman’ny Fanahy, fahitana, nofy, na famangian’ny anjely. Manome fitarihana izay afaka mitondra ny mahatoky ho any amin’ny famonjena mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy ny fanambarana.

Manambara ny asany amin’ny mpaminany ny Tompo ary manamafy amin’ny mpino ny fahamarinan’ny fanambarana azon’ny mpaminany (Amo. 3:7). Amin’ny alalan’ny fanambarana no anomezan’ny Tompo fitarihana manokana ho an’ny olona tsirairay izay mikatsaka izany sady manam-pinoana, mibebaka ary mankatò ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. “Mpanambara ny Fanahy Masina,” hoy i Joseph Smith, ary “tsy misy olona afaka mandray ny Fanahy Masina kanefa tsy mahazo fanambarana.”

Ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao. Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona nomen’ny Tompo fahefana handray fanambarana ho an’ny Fiangonana (F&F 28:2–7). Afaka mahazo fanambarana manokana ho an’ny tombontsoan’ny tenany ny olona tsirairay.