Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Hiverina eto an-tany i Kristy amin’ny fanombohan’ny Arivotaona. Izany no hanamarika ny fahataperan’ny fotoam-pisedran’ity tany ity. Hoesorina tsy ho ety an-tany ny ratsy fanahy, ary ny marina hampakarina eny amin’ny rahona raha mbola diovina kosa ny tany. Na tsy misy aza olona mahafantatra marina ny fotoana hiavian’i Kristy fanindroany, dia nomeny antsika ireo famantarana tokony hiambenana, izay haneho fa manakaiky ny fotoana (Mat. 24; JS—M 1).