Fanampiana amin’ny fandalinana
Teny fanolorana


Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mamaritra ireo fotopampianarana, fitsipika, olona, ary toerana hita notsongaina ao amin’ny Baiboly Masina, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Izany dia manome anao ihany koa ireo andinin-tsoratra masina halalinina isaky ny lohahevitra tsirairay. Ity Torolalana ity dia afaka manampy anao amin’ny fandalinana ny soratra masina na manokana na miaraka amin’ny fianakaviana. Izany dia afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana mikasika ny filazantsara, handalina lohahevitra ao amin’ny soratra masina, hanomana lahateny sy lesona, ary hampitombo ny fahalalanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny filazantsara.

Ity fanehoana an-tsary manaraka ity dia manazava ny santionan’ny fampidirana lohahevitra iray ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina:

Sary
santionany

Tany

Ny planeta izay onenantsika, noharian’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hampiasain’ny olona mandritra ny fizahan-toetra eto an-tany. Ny tanjony farany dia ny hanjary be voninahitra sy hasandratra (F&F 77:1–2; 130:8–9). Ny tany dia hanjary lova mandrakizay ho an’ireo izay efa niaina mba ho mendrika ny voninahitra selestialy (F&F 88:14–26). Hankafy ny fanatrehan’ny Ray sy ny Zanaka izy ireo (F&F 76:62).

Nohariana ho an’ny olona

Testamenta

Tetiarana

Rakitsoratra izay manjohy mianotra ny rohim-pihavanana ao amin’ny fianakaviana iray. Ho an’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana na fitahiana sasantsasany voafetra ho an’ny fianakaviana iray manokana, dia tena zava-dehibe ny tetiarana ao amin’ny soratra masina (Gen. 5; 10; 25; 46; 1 Tan. 1–9; Ezra 2:61–62; Neh. 7:63–64; Mat. 1:1–17; Lio. 3:23–38; 1 Ne. 3:1–4; 5:14–19; Jar. 1:1–2). Ao amin’ny Fiangonana naverina ho amin’ny laoniny ankehitriny, dia tohizan’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana ny fanjohiana mianotra ny rohim-pihavanan’ny mpianakavy, mba hamantarany marina ny razany efa nodimandry ka hahafahany manatontosa ny ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo razany. Manan-kery ireny ôrdônansy ireny ho an’ireo olona efa nodimandry izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy any amin’ny tontolon’ny fanahy (F&F 127–128).

Ireo lohahevitra dia amin’ny sora- baventy matevina.

Ireo lohahevitra dia ahitana famaritana fohy.

Ny Lohahevitra sasany dia ahitana zanaka lohahevitra. Ireny dia natao sora-mandry.

Anaty fonon-teny ireo soratra masina misy ifandraisany amin’ny lohahevitra.

Indraindray tsy hita ao amin’ny lohahevitra izay tadiavinao ny fanazavana ny teny iray. Ny teny sora-mandry hoe Jereo dia mitarika anao any amin’ny lohahevitra izay mety ahitanao ny fanazavana ilaina.

Indraindray misy lohahevitra hafa ao amin’ny torolalana izay ahitana fanazavana mifandray amin’ny lohahevitra ianaranao. Ny teny sora-mandry Jereo koa dia mitarika anao any amin’ireo lohahevitra hafa ireo.

Ao anaty fonon-teny ireo soratra masina izay manampy anao hahatakatra ilay famaritana.

Ny andalan-tsoratra masina tsirairay dia ialohavan’ny ampahany na ny famintinana ilay soratra masina.

Ny teny sora-mandry hoe Jereo (na Jereo koa) izay arahina tsipi-panohizana dia milaza aminao fa ny fanazavana dia hita ao amin’ny zanaka lohahevitra (“Batisa ho an’ny maty”) an’ny lohahevitra lehibe iray (“Batisa”).