Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanondroana anaran-toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana


Fanondroana anaran-toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana

Ny fanondroana anaran-toerana dia hanampy anao hahita ny toerana manokana iray eo amin’ny sarintany. Ny lohateny tsirairay dia ahitana ny laharan’ny sarintany, arahin’ny fomba fandaharana izay mampifanaraka tarehimarika sy tarehintsoratra. Ohatra: ny toerana misy ny Fort Hall dia nomena ny laharana 6:B1—izany hoe sarintany faha 6, efamira B1. Azonao atao ny mitady ny efamira eo amin’ny sarintany iray amin’ny alalan’ny fijerena tarehimarika sy ny tarehintsoratra izay eo ambony sy eo amin’ny sisin’ilay sarintany. Ny anarana hafa entin’ny toerana iray dia voasoratra ao anaty fononteny; ohatra: Council Bluffs (Kanesville).