Fanampiana amin’ny fandalinana
4. Kirtland, Ohio, 1830–1838


4. Kirtland, Ohio, 1830–1838

Sary
Sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana 4

Ava.

Toeram-piompiana sy fambolen’i Morley

Renirano Chagrin, Sampany atsinanana

mankany Willoughby

mankany Mentor

Fandidian-kazo

Lalana Markell

Fitotoambary

Toerana fanaovana batisa

Tranon’i Whitney

mankany Painesville

Tranombarotr’i Whitney

Fandoman-koditra

Trano fandraisam-bahinin’i Johnson

Sekoly

Arabe Cowdery

Fanaovan-davenona

Sakelidrano Stoney

Tranon’i Joseph Smith zanany

Fivarotan-javatra isan-karazan’i Joseph Smith zanany

mankany Chardon

Fasana

Arabe Whitney

Trano Printy

Tempolin’i Kirtland

Tranon’i Sidney Rigdon

Banky

Lalana Chillicothe

Arabe Joseph

Tranon’i Hyrum Smith

Metatra

0 150 300

A B D E

1 2 3 4

1

2

3

4

5

6

7

  1. Tranon’i Newel K. Whitney Tao no nonina nandritra ny herinandro maromaro i Joseph sy i Emma taorian’ny nifindrany voalohany tao Kirtland ny taona 1831. Nandray fanambarana maro tao i Joseph.

  2. Toeram-piompiana sy fambolen’i Isaac Morley Tao no nonina i Joseph sy i Emma Smith ny volana martsa ka hatramin’ny volana septambra taona 1831. Tao no natokana ireo mpisorona avo voalohany. Nanao ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith (DJS) i Joseph.

  3. Tranombarotr’i Newel K. Whitney Tao no nomena ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana ireo fanalahidin’ny fanjakana. Tao no nivory ny sekolin’ny Mpaminany nandritra ny ririnin’ny taona 1833. Teo am-pahavitana ny DJS tao tamin’ny taona 1833. Tao no nonina i Joseph sy i Emma nanomboka ny taona 1832 ka hatramin’ny taona 1833. Maro ny fanambarana noraisin’i Joseph tao.

  4. Trano fandraisam-bahinin’i Johnson Nahitana ny trano printy voalohany tao Kirtland ilay trano fandraisam-bahiny. Natonta tao ny The Evening and the Morning Star taorian’ny naharavan’ny fitaovana fanontana printy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Avy tao no niaingan’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo ny 4 mey 1835 hamita ny asa nanirahana azy voalohany.

  5. Tranon’i Joseph Smith zanany Nonina tao i Joseph sy i Emma ny faramparan’ny taona 1833 ka hatramin’ny fiandohan’ny taona 1838. Vita ny fandikana ny Bokin’i Abrahama ary nandray fanambarana maro tao i Joseph.

  6. Trano Printy Nomena tao amin’io trano io ny Lectures on Faith. Tao no nantsoina sy natokana ny Apôstôly Roa ambin’ny folo sy ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy. Natonta tao ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana (famoahana voalohany ny boky), ny Bokin’i Môrmôna (famoahana faharoa ny boky), ny The Evening and the Morning Star, ny Latter Day Saints’Messenger and Advocate, ary ny famoahana voalohany ny Elders’Journal.

  7. Tempolin’i Kirtland Io no tempoly voalohany tamin’izao fotoampitantanana izao. Niseho sy nankasitraka ny tempoly i Jesoa Kristy. Niseho i Mosesy, i Elià ary i Elia ka namerina ireo fanalahidin’ny fisoronana sasany (jereo F&F 110). Nivory tao koa ny sekolin’ny Mpaminany. Noraisina tao ireto fanambarana ireto: F&F 109–110; 137.

    Kirtland Nankatoavina ho soratra masina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny 17 aogositra 1835. Isan’ny fanambarana azo tao Kirtland ny F&F 41–50; 52–56; 63–64; 72; 78; 84–98; 101–104; 106–110; 112; 134; ary 137. Ny Fizarana 104 dia manondro ny fananana sasany izay homena hotandreman’ny mpikamban’ny Fiangonana mandray anjara ao amin’ny lamina miray (jereo andininy 19–46).