Fanampiana amin’ny fandalinana
Teny fanolorana


Fantina avy amin’ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith

Izao manaraka izao dia ampahany nofantenana tao amin’ny Baiboly King James, Dikantenin’i Joseph Smith (DJS). Notaomin’ny fanahin’ny Tompo i Joseph Smith Mpaminany mba hamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana ao amin’ny lahatsoratry ny Baiboly King James izay efa very na novana hatramin’ny nanoratana voalohany ireo teny. Ireo fahamarinana naverina amin’ny laoniny ireo dia nampazava ny fotopampianarana sady nanatsara ny fahatakarana ny soratra masina.

Noho ny nanambaran’ny Tompo tamin’i Joseph ireo fahamarinana sasantsasany izay noraketin’ireo mpanoratra voalohany fahiny, ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith dia tsy mitovy amin’ny Baiboly dikanteny hafa eto amin’izao tontolo izao. Eo amin’izay lafiny izay, ny teny hoe dikanteny dia ampiasaina amin’ny heviny malalaka sy hafa kokoa noho ny mahazatra, satria ny dikantenin’i Joseph dia miendrika fanambarana fa tsy dikanteny ara-bakiteny avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny iray hafa.

Ny fandikan’i Joseph Smith ny Baiboly King James dia misy fifandraisany ary voalaza amin’ny fizarana maro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (jereo ny fizarana 37, 45, 73, 76, 77, 86, 91, ary 132). Ny bokin’i Mosesy sy ny Joseph Smith—Matio koa dia sombiny avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Ho fampahafantarana misimisy kokoa momba ny Dikantenin’i Joseph Smith, dia jereo ny “Dikantenin’i Joseph Smith (DJS)” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Ireto ohatra manaraka ireto dia mampiseho santionany nofantenana avy tamin’ny Dikantenin’i Joseph Smith:

Sary
santionany

DJS, Matio 4:1, 5–6, 8–9. Ampitahao amin’ny Matio 4:1, 5–6, 8–9; toy izany koa ny fanovana natao tao amin’ny Lioka 4:2, 5–11

Ny fanahy no nitarika an’i Jesoa fa tsy i Satana.

1 Dia notarihin’ny Fanahy i Jesoa hankany an’efitra, mba hiaraka amin’ Andriamanitra.

5 Dia nentina hankao amin’ny tanàna masina i Jesoa, ary nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ny Fanahy.

6 Dia nanatona Azy ny devoly ary nanao hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Ianao dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo anao fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

8 Ary tao amin’ny Fanahy indray i Jesoa, ary izany dia nitondra Azy ho any amin’ny tendrombohitra avo izaitsizy tokoa ka nampiseho Azy ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny.

9 Ary tonga teo aminy indray ny devoly ka nanao hoe: Ireo zavatra rehetra ireo dia homeko anao, raha miankohoka eto anoloako ianao ary midera ahy.

Ny toko sy andininy izay matevina ny sorany dia andalana avy ao amin’ny Baiboly King James ka hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Koa satria nampiditra indray ny teny sasany ho ao anatin’ny Baiboly ny dikanteniny, dia mety tsy hitovy amin’izay ampiasainao ny filahatr’ireo andininy.

Io soratra masina mifandray io dia manoro ilay andalana ao amin’ny Baiboly izay tokony hampitahainao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Izany filazana izany dia mivaofy ny fotopampianarana izay nohazavain’i Joseph Smith tamin’ny dikanteniny.

Izany dia lahatsoratra araka izay nandikan’i Joseph Smith azy. “(Nampiana soramandry mba hampisehoana ny fahasamihafana misy avy amin’ireo teny nampiasaina ao amin’ny Dikanteny King James.)”