Ny soratra masina
Fanekem-pinoana 1


Ireo Fanekem-pinoana
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Toko 1

1 aMino an’ bAndriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’i Jesoa Kristy dZanany sy ny eFanahy Masina.

2 Mino isika fa hofaizina noho ny afahotany ihany ny olona fa tsy noho ny fandikan-dalàna nataon’i bAdama.

3 Mino isika fa noho ny aSorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo bvonjena ny olombelona rehetra, amin’ny dfankatoavana ireo elalàna sy ôrdônansin’ny ffilazantsara.

4 Mino isika fa ireo fitsipika sy aôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny bFinoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny dFibebahana; fahatelo, ny eBatisa asitrika ho ffamelana ny fahotana; fahefatra, ny gFametrahan-tanana ho hfanomezana ny Fanahy Masina.

5 Mino isika fa tsy maintsy avoantson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny bfaminaniana sy amin’ny alalan’ny dfametrahan-tanana, ataon’ireo izay emanana fahefana, ny olona iray vao fmitory sy manatanteraka ny gôrdônansin’ny Filazantsara.

6 Mino ny afandaminana mitovy amin’izay nisy tao amin’ny Fiangonana voalohany isika, dia ny bapôstôly, dmpaminany, empiandry, mpampianatra, fevanjelistra, sns—

7 Mino ny afanomezam-pahasoavana amin’ny bfiteny isika, ny dfaminaniana, ny efanambarana, ny ffahitana, ny gfanasitranana, ny hfandikan-teny, sns—

8 Mino ny aBaiboly ho btenin’ Andriamanitra isika araka ny dmaha-marina ny dikanteny; mino koa isika fa tenin’ Andriamanitra ny eBokin’i Môrmôna.

9 Mino ny zava-drehetra izay efa anambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola bhanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra.

10 Mino isika fa ahangonina ara-bakiteny ny Isiraely ary hampodiana indray ny bFoko Folo; fa i dZiona (ilay Jerosalema Vaovao) dia haorina eo amin’ny kaontinanta Amerikana; fa i Kristy tenany mihitsy no ehanjaka ety an-tany; fa fhohavaozina ny tany ka handray ny gvoninahitry ny hparadisany.

11 Isika dia mitaky ny azo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny bbaikon’ny dfieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy ehanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.

12 Mino ny fanoavana ny mpanjaka isika, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara, amin’ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny alalàna.

13 Mino isika fa tokony ho amarina, ho mahatoky, ho bmadio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary dhanao soa amin’ny olon-drehetra; afaka milaza marina tokoa isika fa manaraka ny efananaran’i Paoly manao hoe—Isika dia mino ny zavatra rehetra, fmanantena ny zavatra rehetra, efa niaritra zavatra maro ary manantena ny ho afaka ghiaritra ny zavatra rehetra. Raha toa ka misy zavatra hmendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.

Joseph Smith.