Ny soratra masina
Abrahama 3


Toko 3

Nianaran’i Abrahama tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny momba ny masoandro, ny volana, ny kintana—Nambaran’ny Tompo azy ny toetra mandrakizain’ireo fanahy—Nianatra ny amin’ny fiainana talohan’ny fianana an-tany, ny fanokanana mialoha, ny fahariana, ny nifidianana Mpanavotra ary ny toetra faharoan’ny olona izy.

1 Ary izaho Abrahama dia nanana ny aOrima sy Tomima izay efa nomen’ny Tompo Andriamanitra ahy tany Oran’ny Kaldeana;

2 Ary izaho dia nahita ireo akintana, fa tena lehibe izy ireo, ary ny anankiray aminy dia akaiky indrindra ny seza fiandrianan’ Andriamanitra; ary nisy lehibe maro izay nifanakaiky taminy;

3 Ary hoy ny Tompo tamiko: Indreo ny mpitarika; ary ny anaran’ilay anankiray lehibe dia i aKôlôba, satria io no akaiky Ahy, fa Izaho no Tompo Andriamanitrao: Izaho dia efa nametraka io anankiray io mba hitarika ireo rehetra izay iray lamina aminy toy ity ijoroanao ity.

4 Ary ny Tompo nanambara tamiko tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima fa i Kôlôba dia araka ny fomban’ny Tompo, araka ny fotoany sy ny tonontaonany eo amin’ny fihodinany; fa ny fihodinany indray mandeha dia indray aandro ho an’ny Tompo, araka ny fomba fanisany ary arivo btaona kosa izany araka ny fotoana voafetra ho an’ilay ijoroanao eo amboniny. Izany no fanisana ny fotoanan’ny Tompo, araka ny fanisan’i Kôlôba.

5 Ary hoy ny Tompo tamiko: Ny planeta, izay kelikely kokoa ny hazavany, kelikely kokoa noho ny an’izay manapaka ny andro, izay manapaka ny alina, dia ambony na lehibe kokoa noho izay ijoroanao, raha eo amin’ny lafiny fanisana, fa mihetsika araka ny lamina miadana kokoa izy; izany dia araka ny lamina, satria mitoetra ambonin’ny tany izay ijoroanao izy, koa ny fanisana ny fotoany dia tsy betsaka raha ny amin’ny isan’ny androny sy ny an’ny volany ary ny an’ny taonany.

6 Ary hoy ny Tompo tamiko: ankehitriny ry Abrahama, ireo zavatra aroa ireo dia misy, indro, hitan’ny masonao izany; omena anao ny hahafantatra ny fotoana fanisana sy ny fotoana voatendry, eny, ny fotoana voatendry ho an’ny tany izay ijoroanao sy ny fotoana voatendry ho an’ny hazavana lehibe kokoa izay voatendry hanapaka ny andro ary ny fotoana voatendry ho an’ny hazavana kelikely kokoa izay voatendry hanapaka ny alina.

7 Ankehitriny ny fotoana voatendry ho an’ny hazavana kelikely kokoa dia fotoana lavalava kokoa ny fanisana azy noho ny fanisana ny fotoana ho an’ny tany izay ijoroanao.

8 Ary eo amin’izay isian’ireo zavatra roa ireo no hisian’ny zavatra iray hafa eo ambonin’izy ireo, izany hoe, hisy planeta iray hafa izay mbola ho lavalava kokoa ny fanisana ny fotoany;

9 Ary dia toy izany no isian’ny fanisana ny fotoan’ny planeta iray ho ambony noho ny iray hafa ambara-pahatonganao eo akaikin’i Kôlôba, dia i Kôlôba izay araka ny fanisana ny fotoan’ny Tompo; dia i Kôlôba izay voatendry ho eo akaikin’ny seza fiandrianan’ny Tompo mba hitantana ireo planeta rehetra ireo izay iray alamina, amin’ilay ijoroanao.

10 Ary omena anao ny hahafantatra ny fotoana voatendry ho an’ny kintana rehetra izay voatendry hanome hazavana ambara-pahatonga anao eo akaikin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.

11 Dia toy izany no aniresahako izaho Abrahama nifanatrika tamin’ny Tompo, toy ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa; ary nilaza tamiko ny zavatra izay efa nataon’ny tanany Izy;

12 Ary hoy Izy tamiko: Anaka, anaka (ary nahinjiny ny tanany), indro hasehoko anao ireo zavatra rehetra ireo. Ary nametraka ny tanany teo amin’ny masoko Izy, dia hitako ireo zavatra izay efa nataon’ny tanany, izay maro; ary nitombo teo anoloan’ny masoko ireo ka tsy haiko nojerena ny farany.

13 Ary hoy Izy tamiko: Ity no Sinehà, dia ny masoandro. Ary hoy Izy tamiko: Kôkôba dia kintana. Ary hoy Izy tamiko: Olea dia ny volana. Ary hoy Izy tamiko: Kôkaobeama izay midika hoe kintana, na ireo hazavana lehibe rehetra izay teny amin’ny habakabaky ny lanitra.

14 Ary tamin’ny andro alina no nitenenan’ny Tompo ireto teny ireto tamiko: aHahamaro anao Aho ary ny btaranakao any aorianao dia ho toy ireo; ary raha afaka dmanisa ny fasika ianao dia tahaka izany ny isan’ny taranakao.

15 Ary hoy ny Tompo tamiko: Ry Abrahama, asehoko anao ireo zavatra ireo alohan’ny handehananao mankany Egypta, mba hahazoanao manambara ireo teny rehetra ireo.

16 Raha misy zavatra roa ka ny iray dia ambonin’ilay iray hafa, dia hisy ireo zavatra lehibe kokoa eo ambonin’izy ireo; koa i aKôlôba no lehibe indrindra amin’ny kôkaobeama rehetra izay efa hitanao, satria io no akaiky Ahy indrindra.

17 Ankehitriny raha misy zavatra roa, ny iray ambonin’ilay iray hafa, toy ny volana ambonin’ny tany, dia mety hisy planeta na kintana eo amboniny; ary tsy misy na inona na inona izay halatsaky ny Tompo Andriamanitrao ao am-pony mba hataony ka tsy ahataony.

18 Na izany aza anefa dia nataony ny kintana lehibe kokoa; toy izany koa, raha misy fanahy roa ka ny iray ho marani-tsaina noho ilay iray hafa, ireo fanahy roa ireo anefa, na dia marani-tsaina noho ilay iray hafa aza ny iray, dia tsy manam-piandohana; nisy teo aloha izy ireo sady tsy hanam-pahataperana, hisy any aoriana izy ireo satria agnolaoma, na mandrakizay.

19 Ary hoy ny Tompo tamiko: Ireo zavatra roa ireo dia misy, fa misy fanahy roa, ny iray marani-tsaina kokoa noho ny iray hafa; hisy iray hafa ho marani-tsaina kokoa noho ireo; Izaho no Tompo Andriamanitrao, Izaho dia amarani-tsaina kokoa noho izy rehetra.

20 Nirahin’ny Tompo Andriamanitra ny anjeliny ahanafaka anao teo an-tanan’ny mpisoron’i Elkenà.

21 Izaho dia mitoetra eo afovoan’izy rehetra; koa ankehitriny dia efa nidina eto aminao Aho hanambara aminao ireo aasa izay efa nataon’ny tanako, izay ihoaran’ny bfahendreko azy rehetra, fa manapaka eny amin’ny lanitra ambony Aho sy ety amin’ny tany ambany, amin’ny fahendrena rehetra sy ny fahamalinana, eo amin’ireo faharanitan-tsaina rehetra efa hitan’ny masonao hatrany am-piandohana; Izaho dia nidina tany am-piandohana, teo afovoan’ireo faharanitan-tsaina rehetra efa hitanao.

22 Ankehitriny dia izaho Abrahama no nanehoan’ny Tompo ireo afaharanitan-tsaina izay efa nalamina btalohan’ny nisian’izao tontolo izao; ary teo anivon’ireo rehetra ireo dia nisy maro no anisan’ireo dambony sy lehibe;

23 Ary hitan’ Andriamanitra ireo fanahy ireo fa tsara, ary Izy dia nijoro teo afovoan’izy ireo ka nanao hoe: Ireto no hataoko mpanapako; fa nijoro teo anivon’ireo izay fanahy Izy ary nahita fa tsara ireo; ary hoy Izy tamiko: Ry Abrahama, anisan’ireo ianao; efa anofinidy ianao talohan’ny nahaterahanao.

24 Ary nisy aanankiray nijoro teo anivony, izay nitovy tamin’ Andriamanitra, ary hoy Izy tamin’ireo izay niaraka taminy: Hidina isika fa misy toerana eny, ary haka amin’ireto akora ireto bisika dia hanao dtany iray izay hahazoan’ireto mitoetra;

25 Dia ahosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka bhanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo;

26 Ary ireo izay mitana ny atoetrany voalohany no homena fanampiny; ary ireo izay tsy mitana ny toetrany voalohany dia tsy hanana voninahitra ao amin’ny fanjakana iraisana amin’ireo izay mitana ny toetrany voalohany; ary ireo izay mitana ny btoetrany faharoa dia hanana dvoninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay.

27 Ary hoy ny aTompo: Iza no hirahako? Ary namaly ilay anankiray izay tahaka ny bZanak’Olona hoe: Inty Aho, iraho Aho. Ary ny danankiray hafa dia namaly ary nanao hoe: Inty aho, iraho aho. Ary hoy ny Tompo: Haniraka iry voalohany Aho.

28 Ary tezitra ilay afaharoa ka tsy nitana ny toetrany voalohany; ary tamin’izay andro izay dia bmaro no nanaraka azy.