Ny soratra masina
Tahadika 2


Tahadika avy amin’ny Bokin’i Abrahama

Lah. 2

Sary
Tahadika 2

Fanazavana

Sary 1. Kôlôba dia midika hoe ny fahariana voalohany, ny akaiky indrindra ny selestialy, na ny fonenan’ Andriamanitra. Ny voalohany raha ny amin’ny fitantanana, ny farany raha ny mikasika ny fanisana ny fotoana. Ny fanisana araka ny fotoana selestialy, dia fotoana selestialy izay midika ho andro iray ho an’ny hakiho iray. Ny andro iray eo amin’i Kôlôba dia mitovy amin’ny arivo taona araka ny fanisan’ity tany ity, izay nataon’ny Egyptiana hoe Jah-oh-eh.

Sary 2. Mifanila amin’i Kôlôba, ary nataon’ny Egyptiana hoe Ôliblisa izany, dia ny fahariana lehibe faharoa amin’ny fitantanana ary mifanila amin’ny selestialy, na ny toerana izay onenan’ Andriamanitra; sady mihazona koa ny fanalahidin’ny fahefana momba ireo planeta hafa; araka ny nambaran’ Andriamanitra an’i Abrahama raha nanatitra fanatitra teo amin’ny alitara izay natsangany ho an’ny Tompo izy.

Sary 3. Atao mba hanehoana an’ Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, mitafy hery sy fahefana, miaraka amin’ny satroboninahitry ny hazavana mandrakizay eo ambonin’ny lohany; maneho koa ireo teny fanalahidy lehibe momba ny Fisoronana Masina, araka izay nambara tamin’i Adama tao amin’ny saha Edena, ary koa tamin’i Seta, i Noa, i Melkizedeka, i Abrahama ary tamin’ireo rehetra izay nanambaràna ny Fisoronana.

Sary 4. Mitovy dika amin’ny teny Hebreo hoe Raokianga, izay midika hoe velarana, na ny habakabaky ny lanitra; milaza isa ihany koa, izay midika hoe arivo amin’ny Egyptiana; misy ifandraisany amin’ny fanisana ny fotoan’i Ôliblisa, izay mitovy amin’i Kôlôba ny fihodiny sy ny fanisany ny fotoana.

Sary 5. Ataon’ny Egyptiana hoe Enisa-go-ona-dosa; ity dia anankiray amin’ireo planeta mpitantana ihany koa, ary lazain’ny Egyptiana ho ny masoandro ary ho mindrana ny hazavany amin’ny Kôlôba, amin’ny alalan’i Kae-e-vanrasa, izay ny Fanalahidy lehibe, na amin’ny teny hafa ny fahefana mpitantana izay mitantana planeta na kintana dimy ambin’ny folo hafa, ary koa i Floese na ny volana, ny Tany ary ny Masoandro amin’ny fihodiny isan-taona. Ity planeta ity dia mandray ny heriny amin’ny alalan’i Kly-flôsa-isa-esa na i Ha-kô-kao-beama, dia ireo kintana tondroin’ny isa 22 sy 23, izay mandray ny hazavany amin’ny fihodin’i Kôlôba.

Sary 6. Maneho ny vazan-tany efatr’ity tany ity.

Sary 7. Maneho an’ Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, manambara avy amin’ny lanitra ny teny fanalahidin’ny Fisoronana; ary koa ny famantarana ny Fanahy Masina nomena an’i Abrahama tamin’ny endriky ny voromahailala.

Sary 8. Mirakitra ireo soratra izay tsy azo ambara amin’izao tontolo izao, fa tokony ho azo avy ao amin’ny Tempoly Masin’ Andriamanitra.

Sary 9. Tsy tokony hambara amin’izao fotoana izao.

Sary 10. Toy ny eo aloha ihany.

Sary 11. Toy ny eo aloha ihany. Raha hain’izao tontolo izao ny mamantatra ireo isa ireo, dia ho izany tokoa anie. Amena.

Ireo sary 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20 ary 21 dia homena amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo.

Ny dika teny eo ambony dia omena araka izay anananay zo hanome izany amin’izao fotoana izao.