Ny soratra masina
Tahadika 3


Tahadika avy amin’ny Bokin’i Abrahama

Lah. 3

Sary
Tahadika 3

Fanazavana

Sary 1. Abrahama mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Farao noho ny fahalalam-pomban’ny mpanjaka, miaraka amin’ny satroboninahitra eo amin’ny lohany, ho fanehoana ny Fisoronana sady tandindon’ny Fiadidiana lehibe any an-danitra; miaraka amin’ny tehin’ny fahitsiana sy ny famaliana eo an-tanany.

Sary 2. Farao mpanjaka, izay voalazan’ireo soratra eo ambonin’ny lohany ny anarany.

Sary 3. Midika hoe Abrahama tany Egypta, toy izay voalaza koa ao amin’ny sary 10, tahadika laharana 1.

Sary 4. Printsin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, araka izay voasoratra eo ambonin’ny tanany.

Sary 5. Solema, anankiray amin’ireo lohandohan’ny mpampihinana, araka izay voalazan’ny soratra eo ambonin’ny tanany.

Sary 6. Ôlimla, andevon’ny printsy.

Mandaha-teny manazava ny fitsipiky ny lalàn’ny planeta amin’ireo tandapan’ny mpanjaka i Abrahama.