Ny soratra masina
Teny fanolorana


Teny fanolorana

Ny Voahangy Lafo Vidy dia fantina avy amin’ireo lahatsoratra notsongaina mikasika ireo lafiny manan-danja maro momba ny finoana sy ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo lahatsoratra ireo dia nadika sy novokarin’i Joseph Smith Mpaminany, ary ny ankamaroany dia navoaka tao amin’ny gazetim-piangonana nisy tamin’ny androny.

Ny fampitambarana voalohany ireo lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Voahangy Lafo Vidy dia nataon’i Franklin D. Richards loholona tamin’ny taona 1851; izy dia mpikambana tao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy sy filohan’ny Misiôna Britanika. Ny tanjon’izany dia ny hahatonga ireo lahatsoratra manan-danja sasany, izay voafetra ihany ny fielezany tamin’ny andron’i Joseph Smith, ho azo ampiasaina avy hatrany. Koa satria nitombo isa ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana nanerana an’i Eoropa sy i Amerika dia nilaina ny hananana ireny lahatsoratra ireny eo am-pelatanana. Niely fatratra tokoa ny Voahangy Lafo Vidy ary nanjary soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana izany noho ny fanapahan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Fihaonambe tao Salt Lake City ny 10 ôktôbra 1880.

Nanaovana fanitsiana maro araka ny zava-notadiavina sy notakin’ny Fiangonana ny votoatiny. Tamin’ny taona 1878 no naiditra ireo ampahany amin’ny bokin’i Mosesy, izay tsy tafiditra tamin’ny fanontana voalohany. Nesorina tamin’ny taona 1902 tao amin’ny Voahangy Lafo vidy ireo ampahan-dahatsoratra sasany, izay namerina lahatsoratra efa navoaka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny fandaminana ho toko sy andininy miaraka amin’ny fanovozan-kevitra eny amin’ny faran’ny pejy dia vita tamin’ny taona 1902. Ny famoahana voalohany izay nisy ny fizarana ny takila ho roa, niaraka tamin’ny fanoroan-teny dia tamin’ny taona 1921. Tsy nisy fanovana hafa natao raha tsy tamin’ny volana aprily 1976 izay nampidirana lahatsoratra roa azo tamin’ny fanambarana. Tamin’ny taona 1979 dia nesorina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ireo lahatsoratra roa ireo ary naiditra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe fizarana 137 sy 138. Nanaovana fanovana vitsivitsy ilay boky natonta ankehitriny mba hahatonga ny lahatsoratra hifanaraka amin’ireo tahirin-kevitra tany aloha.

Toy izao manaraka izao ny teny fanolorana fohy momba izay voarakitra an-tsoratra ankehitriny:

  1. Fantina avy amin’ny Bokin’i Mosesy. Sombiny amin’ny bokin’i Genesisy, avy amin’ny Baiboly dikantenin’i Joseph Smith izay natombony tamin’ny volana jona 1830.

  2. Ny Bokin’i Abrahama. Dikantenin’ny asa soratra nentanim-panahy an’i Abrahama. Natombok’i Joseph Smith tamin’ny 1835 ny fandikan-teny taorian’ny nahazoany papiriosy Egyptiana vitsivitsy. Izany dikanteny izany dia navoaka nisesisesy tao amin’ny Times and Seasons, nanomboka ny 1 martsa 1842 tao Nauvoo, Illinois.

  3. Joseph Smith—Matio. Ampahany amin’ny tenivavolombelon’i Matio araka ny Baiboly dikantenin’i Joseph Smith (jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61 ny fandidian’ Andriamanitra ny hanombohana ny fandikana ny Testamenta Vaovao).

  4. Joseph Smith—Tantara. Sombiny amin’ny tenivavolombelona sy ny tantara ôfisialin’i Joseph Smith, izay nomaniny sy ny mpitantsorany tamin’ny taona 1838–1839 ka navoaka nisesisesy tao amin’ny Times and Seasons, tao Nauvoo, Illinois, nanomboka ny 15 martsa 1842.

  5. Ny Fanekem-pinoan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Filazana nataon’i Joseph Smith, izay navoaka tao amin’ny Times and Seasons ny 1 martsa 1842, niaraka tamin’ny tantara fohy momba ny Fiangonana izay fantatry ny rehetra amin’ny hoe ny Taratasin’i Wentworth.