Ny soratra masina
Joseph Smith—Matio 1


Joseph Smith—Matio

Sombiny amin’ny fandikana ny Baiboly, araka izay nambara tamin’i Joseph Smith Mpaminany tamin’ny taona 1831: Matio 23:39 sy ny toko 24.

Toko 1

Nolazain’i Jesoa fa efa mananontanona ny fandravana an’i Jerosalema—Nandaha-teny ny amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona sy ny famongorana ny olon-dratsy koa Izy.

1 Fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hahita Ahy ianareo, ary tsy hahafantantra fa Izaho no Ilay efa voasoratry ny mpaminany ny Aminy, ambara-pilazanareo hoe: Hotahina anie Izay aavy amin’ny anaran’ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra ary ny anjely masina rehetra miaraka Aminy. Tamin’izany no nahatakaran’ny mpianany fa ho avy eto an-tany indray Izy rehefa nomem-boninahitra sy nosatrohana satroboninahitra teo an-tanana ankavanan’ bAndriamanitra.

2 Ary nandeha i Jesoa ka niala teo amin’ny tempoly; dia nanatona Azy ny mpianany mba handre Azy, ka nanao hoe: Mpampianatra ô, asehoy anay ny momba ny firafitry ny tempoly, satria efa nilaza Ianao hoe—Harodana izany ka havela ho lao ho anareo.

3 Ary hoy i Jesoa taminy: Tsy hitanareo va ireo zavatra rehetra ireo ary tsy azonareo va ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa, tsy havela hisy avato hifanongoa eo amin’ity tempoly ity ka tsy harodana.

4 Dia nandao azy ireo i Jesoa ka nandeha niakatra teo aan-tendrombohitra Oliva. Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy dia nanatona Azy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Lazao aminy hoe rahoviana no hisy ireo zavatra izay efa nolazainao momba ny fandravana ny tempoly sy ny Jiosy ireo; ary inona no bfamantarana ny dfiavianao sy ny an’ny efiafaran’izao tontolo izao na ny famongorana ny folon-dratsy izay ny fiafaran’izao tontolo izao?

5 Ary namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: Mitandrema mba tsy hisy olona hamitaka anareo;

6 Fa maro no ho avy amin’ny anarako, hanao hoe—izaho no Kristy—ka hamitaka ny maro;

7 Amin’izany dia hanolotra anareo ho amin’ny afampijaliana izy ireo ary hamono anareo; ary ho bhalan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako;

8 Ary amin’izany dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala;

9 Ary mpaminany sandoka maro no hitsangana ka hamitaka ny maro;

10 Ary satria hihabetsaka ny faharatsiana, dia hihamangantsiaka ny afitiavan’ny maro;

11 Fa izay miorina mafy ka tsy resy no hovonjena.

12 Koa rehefa hitanareo ny afahavetavetan’ny fandravana voalazan’i bDaniela mpaminany momba ny fandravana an’i dJerosalema, dia hijoro eo amin’ny etoerana masina ianareo; na zovy na zovy no mamaky, dia aoka izy hahatakatra.

13 Amin’izay dia aoka ireo izay any Jodia handositra any aan-tendrombohitra;

14 Aoka ireo izay eny an-tampon-trano handositra ka tsy hiverina haka zavatra ao an-tranony.

15 Aoka koa izay any an-tsaha tsy hiverina haka ny fitafiany;

16 Ary lozan’ireo izay abevohoka sy mampinono amin’ireo andro ireo;

17 Koa ivavahonareo ny Tompo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny andro Sabata ny fandosiranareo;

18 Fa amin’ireo andro ireo, dia hisy fahoriana be eo amin’ny aJiosy sy eo amin’ny mponin’i bJerosalema, toy izay tsy mbola nisy nalefan’ Andriamanitra teo aloha tamin’ny Isiraely hatramin’ny niandohan’ny fanjakany ka mandraka ankehitriny; sady tsy hisy halefa toy izany intsony amin’ny Isiraely.

19 Ny zava-drehetra izay efa nihatra taminy dia vao ny fiandohan’ny alahelo izay hianjady aminy.

20 Ary raha tsy hafohezina ireo andro ireo, dia tsy hisy nofo hovonjena; saingy noho ny amin’ny olom-boafidy, araka ny fanekempihavanana, dia hohafohezina ireo andro ireo.

21 Indro, ireo zavatra ireo no efa noteneniko taminareo momba ny Jiosy; ary ankoatra izany, aorian’ireo androm-pahoriana izay ho avy amin’i Jerosalema ireo, raha misy olona miteny aminareo hoe, indro, aty i Kristy, na ary, dia aza mino azy;

22 Fa amin’ireo andro ireo dia hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ary haneho famantarana sy zava-mahagaga lehibe, ka raha azo atao, dia hofitahiny na dia ny olom-boafidy aza, izay olom-boafidy araka ny fanekempihavanana.

23 Indro teneniko aminareo ireo zavatra ireo noho ny amin’ny aolom-boafidy; ary ianareo koa dia handre bady sy tabataban’ady; aoka tsy hatahotra ianareo, fa tsy maintsy mitranga izay rehetra efa nolazaiko taminareo; nefa tsy mbola tonga ny farany.

24 Indro, efa nolazaiko mialoha taminareo izany;

25 Koa raha lazainy aminareo hoe: Indro, any an’efitra Izy, aza mankany; Indro, atsy amin’ny toera-miafina atsy Izy, aza mino;

26 Fa toy ny hazavan’ny maraina mipoitra avy any aatsinanana sy mamirapiratra hatrany andrefana ary mandrakotra ny tany manontolo, dia ho toy izany koa no fiavian’ny Zanak’Olona.

27 Ary ankehitriny dia maneho fanoharana iray aminareo Aho. Indro, na aiza na aiza toerana misy fatin-javatra, dia any no hiara-mitangorona ny voromahery; dia ahitangorona toy izany avy amin’ny vazan-tany efatra ny olom-boafidiko.

28 Ary handre ady sy tabataban’ady izy ireo.

29 Indro, miteny Aho noho ny amin’ny olom-boafidiko; fa hitsangana ny firenena hamely firenena ary ny fanjakana hamely fanjakana; hisy amosary sy areti-mandringana ary horohoron-tany amin’ny toerana samihafa.

30 Ary ankoatra izany, satria ho sesehena ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona; fa izay tsy ho resy no hovonjena.

31 Ary ankoatra izany, ity Filazantsaran’ny Fanjakana ity dia hotorina manerana aizao tontolo izao, ho vavolombelona amin’ny firenen-drehetra, ary rehefa izany dia ho avy ny farany, na ny famongorana ny olon-dratsy;

32 Ary ankoatra izany, dia ho tanteraka ny fahavetavetan’ny fandravana voalazan’i Daniela Mpaminany.

33 Ary aorian’ireo androm-pahoriana ireo, dia hohamaizinina avy hatrany ny amasoandro, ary tsy hanome ny hazavany ny volana, ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina.

34 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ity taranaka ity, izay ao aminy no hanehoana ireo zavatra rehetra ireo, dia tsy ho levona raha tsy efa tanteraka izay rehetra efa nolazaiko taminareo.

35 Na dia ho avy aza ny andro ka ho levona ny lanitra sy ny tany, dia tsy ho levona kosa ny ateniko fa ho tanteraka avokoa.

36 Ary toy izay nolazaiko teo aloha fa aorian’ireo aandrom-pahoriana ireo, ary rehefa avy nohozongozonina ny herin’ny lanitra, dia hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’Olona, ary amin’izany dia hitomany ny foko rehetra eto an-tany; ary hahita ny Zanak’Olona bavy amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe eny amin’ny rahon’ny lanitra izy ireo.

37 Ary na zovy na zovy no mirakitra ny ateniko dia tsy ho voafitaka, fa ho avy ny Zanak’Olona ary Izy dia haniraka ireo banjeliny hialoha Azy miaraka amin’ny faneno mafin’ny trompetra, ary ireo dia dhiara-hanangona ny olom-boafidiny sisa avy amin’ny vazan-tany efatra, avy amin’ny faravodilanitra iray ka hatramin’ny iray hafa.

38 Ankehitriny dia ianaro ny fanoharana ny amin’ny aaviavy—Raha mbola marefo ny rantsany ary manomboka mitsiry ny raviny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona;

39 Dia toy izany ny olom-boafidiko, rehefa mahita ireny zavatra rehetra ireny izy ireo dia hahafantatra fa efa akaiky Izy, mby eo am-baravarana aza;

40 Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy amahalala; tsia, na dia ny anjelin’ Andriamanitra any an-danitra aza, afa-tsy ny Raiko ihany.

41 Fa toy ny tamin’ny andron’i aNoa, dia ho toy izany koa amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona;

42 Fa toy ny tamin’ny andro izay talohan’ny asafo-drano, dia ho toy izany amin’izy ireo; fa ambara-pahatongan’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina izy ireo;

43 Ary tsy nahafantatra mandra-piavin’ny safo-drano izay nifaoka azy rehetra, dia ho toy izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona.

44 Amin’izany dia ho tanteraka izay voasoratra, fa amin’ny aandro farany dia olona roa no ho eny an-tsaha, ka ny anankiray horaisina ary ny anankiray bhavela;

45 Olona roa no hitoto vary ao amin’ny fikosoham-bary, ka ny anankiray horaisina ary ny anankiray havela;

46 Ary izay lazaiko amin’ny iray dia lazaiko amin’ny olona rehetra; koa amiambena fa tsy fantatrareo izay ora hiavian’ny Tomponareo.

47 Fa izao no fantaro, raha fantatry ny tompon-trano tsara ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hotamin’ny fa ho efa vonona.

48 Koa aoka ho vonona koa ianareo, fa amin’ny ora izay tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’Olona.

49 Iza amin’izany no mpanompo amahatoky sy hendry, izay efa notendren’ny tompony ho mpanapaka amin’ny ankohonany, ka hanome azy ireo hanina ara-potoana?

50 Hotahina ilay mpanompo hitan’ny Tompony eo am-panaovana izany amin’ny fahatongavany; ary lazaiko aminareo marina tokoa, hotendreny ho mpanapaka amin’ny fananany rehetra izy.

51 Fa raha manao anakampo ilay mpanompo ratsy hoe: aMampitaredretra ny fiaviany ny tompoko,

52 Ka hanomboka hikapoka ireo mpiara-manompo aminy izy ary hihinana sy hisotro miaraka amin’ny mamo,

53 Ny tompon’izany mpanompo izany dia ho avy amin’ny andro izay tsy anampoizany azy ary amin’ny ora izay tsy fantany,

54 Dia handidididy azy izy ary hanome azy ny anjarany any amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy fitomaniana sy afikitroha-nify.

55 Ary dia tonga toy izany ny afiafaran’ny olon-dratsy, araka ny faminanian’i Mosesy izay manao hoe: Izy ireo dia hoesorina avy teo anivon’ny vahoakako; saingy tsy mbola tonga ny fiafaran’ny tany fa ho avy tsy ho ela izany.