Fivoriana fampaherezam-panahy tamin’ny 2022
Safidy ho an’ny mandrakizay


Safidy ho an’ny mandrakizay

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony iarahana amin’ny Filoha Nelson

Alahady 15 mey 2022

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, izaho sy Rahavavy Nelson dia efa niandrandra ity takariva ity nandritra ny volana maro. Vehivavy manana finoana sy fahendrena lehibe i Wendy vadiko. Tohanako ireo fampianarana omeny anareo.

Sary
Filoha Russell M. Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson

Tena mahafinaritra ny mihaona aminareo amin’ny tsingerintaonan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna. Araka ny efa fantatrareo, tamin’ny 15 mey 1829, dia nandohalika teo amin’ny toerana mitokana iray tany anaty ala akaikin’ny tranon’i Joseph sy i Emma tao Harmony, Pennsylvanie ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery. Izaho sy Rahavavy Nelson dia efa tany amin’io ala misy hazo érables à sucre io.

Sary
Nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa

Lasa masina io ala kely io rehefa nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa.

Sary
Nanome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Petera sy i Jakoba ary i Jaona

Taty aoriana dia namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka tao amin’ny manodidina io faritra io ihany i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Notokanako izany toerana namerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana izany tamin’ny septambra 2015. Tamin’ireo fanendrena rehetra teo aloha azoko hatramin’izay, dia izany no nanan-danja indrindra tamiko. Io toerana io dia mampahatsiahy ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidiny amin’ny olombelona eto an-tany. Ireo sy ny fanalahidy hafa dia nilaina mba hitarihana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy hahafahantsika manatanteraka sy mandray ireo ôrdônansy manan-danja, anisan’izany ny famehezana fianakaviana miaraka ho mandrakizay. Fotoana iray niavaka teo amin’ny fiainako io andro fanokanana io!

Ankehitriny, izao dia fotoana iray miavaka eo amin’ny fiainanao. Tsy hisy hafa toy izao intsony. Eo am-pametrahana laharam-pahamehana sy lamina ianao izay hisy fiantraikany lehibe tsy amin’ny fiainanao an-tany fotsiny ihany fa ny fiainanao mandrakizay koa.

Andeha isika hiresaka momba ny fiainana. Zavatra efa nananako traikefa kely izany. Nihalehibe nandritra ny Fitotonganana Lehibe iray aho. Zatovo aho nandritra ny Ady Lehibe II. Imbetsaka aho no saika maty. Efa nitety kaontinanta enina imbetsaka aho ary mbola tsy nihaona tamina olona na kolontsaina izay tsy hitako fa manentana ny fanahy.

Efa nizaka alahelo koa aho. Efa nanatri-maso zanakavavy sarobidy roa niharan’ny homamiadana tsimoramora sy narary ary namoy ny ainy aho. Ary efa nandevina vady tena tsara aho, i Dantzel—ilay renin’ny zanakay 10. Satria fantatro fa tsy tsara raha irery ny lehilahy,1 dia nisafidy ny hanambady indray aho. Nanambady vehivavy mahatalanjona hafa aho, i Wendy malala.

Nahita namana sy mpianakavy nanao safidy feno herim-po aho ary niaina fiainana fakan-tahaka. Ary efa nahita ny hafa nanao fanapahan-kevitra ratsy izay nanimba ny fahafahan’izy ireo hivoatra aho.

Raha hafohezina dia efa ela niainana aho, ary amin’izao fotoana izao dia efa tsy mividy akondro maitso intsony! Ary najanoko ihany koa ny mandany fotoana amin’ny zavatra tsy misy dikany. Fa ianareo kosa dia manan-danja amiko! Ary tena zava-dehibe amiko ny hoavinareo! Faly aho fa maro ianareo no tonga anio hariva. Ary misaotra an’ireo izay nanolotra ny mozika izay nanombohana tamin’ny feon-kira mahafinaritra aho.

Te hiresaka aminareo momba ny hoavinareo aho anio alina. Vao tsy ela izay izaho sy Rahavavy Nelson no nanatrika fankalazana ny fanendrena ny filohan’ny oniversite iray. Nandritra io hetsika tena tsara io dia nieritreritra momba ireo mpanabe tsy tambo isaina maneran-tany aho izay nanolo-tena hampianatra lehilahy sy vehivavy mitovy taona aminareo. Tena zava-dehibe ny fanabeazana. Raisiko ho andraikitra ara-pivavahana izany. Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina.2

Misy fahasamihafana lehibe anefa eo amin’ny andraikitry ny mpanabe tsy ara-pivavahana sy ny andraikitro amin’ny maha-Apôstôly zokiolona ahy eto an-tany. Ny asan’izy ireo dia ny manabe sy manomana anao amin’ireo zavatra iainanao eto an-tany—izany hoe ny fomba hahombiazana eo amin’ny asanao eo amin’ny fiainanao. Ny andraikitro dia ny manabe sy manomana anareo koa, ho amin’ireo zavatra hiainanareo any amin’ny fiainana tsy hahafatesana intsony—izany hoe ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Misy fetrany ny fampianarana avy amin’ireo andrim-pampianarana ambony tsara indrindra, satria ny fampianarana tsy ara-pivavahana amin’ny ankapobeny dia tsy miraharaha fahamarinana lehibe telo izay zara raha resahina:

  1. Voalohany, ny tsirairay amintsika dia ho faty.3

  2. Faharoa, noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika tsirairay avy ary ho lasa tsy mety maty.4

  3. Ary fahatelo, ny Andro Fitsarana dia eo anoloantsika tsirairay avy.5

Ireo fahamarinana tanteraka telo ireo dia tokony ho fototry ny fanabeazana ara-panahinareo.

Noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fahafenoany, dia mahafantatra zavatra maro momba ireo fahafahana hisokatra amintsika aorian’ny fiainana an-tany isika. Fantatsika fa misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raintsika.6 Fantatsika fa tena tia ny zanany Andriamanitra ka, araka ny nampianarin’ny Filoha Dallin H. ​​Oaks manao hoe, “ny zanak’ Andriamanitra rehetra raha tsy ny tranga maningana izay vitsy indrindra—dia “hiafara ao amina fanjakam-boninahitra.”7 Namorona fanjakam-boninahitra—telestialy, terestrialy, ary selestialy ny Raintsika—mba hanomezana toerana be voninahitra ho an’ireo zanany.

Ny tanjoko anio alina dia ny hahazoana antoka fa misokatra tsara ny masonareo amin’ilay fahamarinana fa ity fiainana ity tokoa no fotoana ahafahanareo manapa-kevitra hoe karazana fiainana toy ny ahoana no tianareo hiainana mandrakizay. Izao no fotoananareo “hiomanana hihaona amin’Andriamanitra.” 8

Ny androm-piainana an-tany dia fohy izaitsizy tokoa raha oharina amin’ny mandrakizay. Kanefa, ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tena manan-danja tokoa izao fotoana fohy izao! Mandritra ity fiainana ity dia afaka misafidy izay lalàna tiantsika hohajaina isika—ireo ao amin’ny fanjakana selestialy, na ny terestrialy, na ny telestialy9—ary noho izany, ao amin’ny fanjakam-boninahitra inona no hisy antsika mandrakizay.

Ny safidy marina rehetra ataonareo eto dia hitondra tombontsoa lehibe amin’izao fotoana izao. Saingy ny safidy tsara eto amin’ny fiainana an-tany dia hitondra tombontsoa mandrakizay tsy azo eritreretina. Raha misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianareo ary mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ireo, dia manana ny fampanantenana ny amin’ny “voninahitra anampy eo ambony loha[nareo] mandrakizay mandrakizay.”10

Ireo fahamarinana ireo dia tokony hanosika ny fahatsapanareo lehibe indrindra momba ny hoe FOMO—na ny “peur de rater quelque chose.” Manana fahafahana hahatratra ny fanjakana selestialy ianareo. Ny FOMO lehibe indrindra dia ny tsy fahatongavana any amin’ny fanjakana selestialy, mionona amin’ny fanjakana ambany kokoa satria ianareo dia nisafidy ny hiaina ny lalàn’ny fanjakana ambany kokoa teto an-tany.

Mazava ho azy fa tsy tian’ny fahavalo hieritreritra ny ampitso ianao, mainka fa ny fiainana mandrakizay. Saingy aoka ianareo tsy ho diso hevitra na tsy hahatakatra ireo fahafahana sy fanambin’ny fiainana an-tany. Ao anatin’izany toe-tsaina izany, dia mila mahatakatra fahamarinana fototra telo izay hanampy anareo hanomana ny lalanareo ho avy ianareo:

  1. Voalohany, fantaro ny fahamarinana momba ny hoe iza ianao.

  2. Faharoa, fantaro ny fahamarinana momba ny zavatra natolotry ny Ray any An-danitra sy ny Zanany ho anao.

  3. Ary fahatelo, fantaro ny fahamarinana mifandray amin’ny fiovam-ponao.

Hiresaka ny tsirairay amin’ireo teboka telo ireo aho.

Voalohany: fantaro ny fahamarinana momba ny hoe iza ianao. Mino aho fa raha toa ka niresaka mivantana taminao ny Tompo anio alina, ny zavatra voalohany hataony izay ho azonao dia ny hahatakaranao hoe iza marina moa ianao.11 Ry namako malala, tena zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianareo. Nihira io fahamarinana io ianao hatramin’ny nianaranao ny tonon’ny “Zanaky ny Ray aho.”12 Kanefa, moa ve izany fahamarinana mandrakizay izany miraikitra ao am-ponao? Moa ve namonjy anao io fahamarinana io rehefa tojo fakam-panahy ianao?13

Matahotra aho sao henonareo matetika io fahamarinana io ka toa zary lasa teny filamatra kokoa fa tsy fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Na izany aza, ny fomba fisainanareo momba ny tena maha ianareo anareo dia misy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisinareo.

Tamin’ny 2006, rehefa nanambady an’i Wendy aho, dia niaina zavatra tsy nampoizina maro—tena nahafinaritra ny ankamaroany. Iray tamin’ireo zavatra tsy nampoizina ireo ny isan’ny akanjo nananany izay nampiseho sary famantarana—ny oniversite nahazoany diplaoma, ny toerana efa nalehany, sy ny sisa. Isaky ny nitafy ny iray tamin’ireo zavatra ireo izy, dia nivazivazy taminy aho tamin’ny filazana hoe: “Iza no ataonao dokam-barotra anio?” Nanasa ahy mba hanao toy izany zavatra mahafinaritra izany koa izy!

Sary
Filoha Russell M. Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson

Mety hahafinaritra ireo sary famantarana ary manondro ny fanohananao zavatra tsara maromaro. Sary famantarana maro no hiova ho anao rehefa mandeha eny ny fotoana. Tsy mitovy ny lanjan’ny sary famantarana rehetra. Saingy raha misy marika manolo ireo famantarana anao manan-danja indrindra, dia mety ho hanempotra ara-panahy ny vokatr’izany.

Ohatra, raha ataoko laharam-pahamehana ny fiantsoana izay azo ampiharina amiko, dia hilaza aho hoe: Voalohany, zanak’ Andriamanitra aho—zanakalahin’ Anriamanitra, avy eo dia zanaky ny fanekempihavanana, ary avy eo dia mpianatr’i Jesoa Kristy sy mpanaradia an’i Jesoa Kristy ary mpikambana mavitrika ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Manaraka izany dia ny anaram-boninahitro amin’ny maha vady sy ray ahy, ary avy eo Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny marika famantarana hafa rehetra izay azo nampiharina tamiko—toy ny dokotera mpitsabo, mpandidy, mpikaroka, mpampianatra, lietnà, kapiteny, olona manana doctorat, Amerikana, sy ny sisa—dia ho tafiditra any ambanimbany any ao anatin’ilay lisitra.

Ankehitriny, andao hatodika aminareo ny fanontaniana. Iza moa ianao?

Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao.

Faharoa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia zanaky ny fanekempihavanana ianao. Ary fahatelo, ianao dia mpanaradia an’i Jesoa Kristy.

Miangavy anareo aho izao hariva izao mba tsy hanolo ireo famantarana telo faratampony sy tsy miova ireo amina zavatra hafa, satria ny fanaovana izany dia mety hanakana ny fandrosoanao na hanakorontana anao amin’ny fomba fijery izay mety hanakana ny fivoaranao mandrakizay.

Ohatra, raha ny hoe Amerikana no tianao hamantarana anao voalohany, dia mety hieritreritra ireo tsy Amerikana hoe: “Fantatro ny zava-drehetra tokony ho fantatra momba anao” ka hametraka hevi-diso momba anao.

Raha mamaritra ny maha ianao anao amin’ny fironanao ara-politika ianao, dia ho sokajiana ho manana karazana finoana avy hatrany ianao—na dia tsy mahalala olona na dia iray mino izay rehetra aroson’ny antoko politika tiany aza aho amin’izao fotoana izao.

Afaka manohy toy izany hatrany isika, mamerimberina ny fanerena ataon’ny marika isan-karazany izay apetratsika eo amin’ny tenantsika na izay apetraky ny hafa amintsika.

Mety hisy hiantso ahy hoe “lehilahy antitra.” Saingy tena zandrin’i Adama lavitra be aho—ary i Noa koa.14 Ny fanasokajiana araka ny taona, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny nasiônalisma, ny fanavakavahana mifototra amin’ny maha vavy na lahy, ary ireo “isma” maro hafa dia mametra foana.

Mampalahelo tokoa rehefa misy olona mino ny marika nomen’ny olon-kafa azy. Alao sary an-tsaina ny alahelon’ny ankizy iray izay nilazana hoe: “Vendrana ianao.” Mahery vaika ny famantarana sy ny anarana napetaka!

Mifaly amin’ny anarana apetaka ny fahavalo satria mampisara-bazana antsika sy mametra ny fomba fiheverantsika ny tenantsika sy ny tsirairay izy ireny. Mampalahelo tokoa rehefa manaja marika famantarana kokoa mihoatra noho ny fifanajana isika.

Mety hitarika ho amin’ny fitsarana sy ny fankahalana ny anarana apetaka. Ny herisetra rehetra na ny fitsarana an-tendrony amin’ny hafa noho ny zom-pirenena, ny firazanana, ny fironana ara-pananahana, ny maha-lahy na maha-vavy, ny fianarana nodiavina, ny kolontsaina, na ireo famantarana manan-danja hafa dia manafintohina ny Mpamorona antsika! Ny fampahoriana toy izany dia mahatonga antsika hiaina ambany noho ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny fanekempihavanany antsika!

Misy marika isan-karazany izay mety ho zava-dehibe aminao, mazava ho azy. Aoka tsy ho diso ny fandraisanareo ny teniko. Tsy milaza aho hoe tsy misy dikany ny fiantsoana sy ny famantarana hafa. Miteny tsotra fotsiny aho fa tsy misy famantarana tokony hamindra, na hanolo, na ho lasa laharam-pahamehana mihoatra noho ireto anarana telo maharitra ireto: “zanak’ Andriamanitra,” “zanaky ny fanekempihavanana,” ary “mpianatr’i Jesoa Kristy.”

Ny famantarana rehetra tsy mifanaraka amin’ireo anarana fototra telo ireo dia handiso fanantenana anao amin’ny farany. Ny marika hafa dia handiso fanantenana anao rehefa mandeha ny fotoana satria tsy manana hery hitarika anao mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izy ireny.

Ireo famantarana eo amin’izao tontolo izao dia tsy hanome anao fahitana velively ny amin’ny hoe mety ho tonga iza ianao any am-parany. Tsy hanamafy na oviana na oviana ny tarazonao na ny hery maha-andriamanitra anao tsy manam-petra izy ireny.

Koa satria misy drafitry ny famonjena lehibe izay noforonin’ny Ray any An-danitra, moa ve tsy azo heverina fa manana anjara masina koa ianao?15

Aza diso hevitra momba izany: Ny fahafahana ao aminao dia araka an’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fikatsahanao amim-pahazotoana dia homen’ Andriamanitra fahafahana hahita kely an’izay mety hahatongavanao ianao.

Hany ka iza moa ianao? Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao, zanaky ny fanekempihavanana ary mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandray ireo fahamarinana ireo ianao dia hanampy anao hahatratra ny tanjonao faratampony mba hiaina mandrakizay eo amin’ny fanatrehany masina ny Raintsika any An-danitra.

Faharoa: Fantaro ny fahamarinana momba ny zavatra natolotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ho anao.

Raha fintinina dia nanolotra anao ny zava-drehetra Izy Ireo.

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany dia mamela antsika hiaina any amin’ny toerana sy ny fomba iainany ary amin’ny farany dia ho tonga kokoa hatrany tahaka Azy. Ny drafiny dia manome ara-bakiteny ireo fitahiana manana amby ampy indrindra amin’ny mandrakizay rehetra, anisan’izany ny fahafahantsika ho tonga “mpiray lova amin’i Kristy.”16

Mahafantatra sy mahita ny zava-drehetra Andriamanitra. Any amin’ny mandrakizay rehetra dia tsy hisy olona hahafantatra anao na hiraharaha anao mihoatra noho Izy. Tsy hisy olona na oviana na oviana ho akaiky kokoa anao mihoatra noho Izy. Afaka mamboraka ny ao am-ponao Aminy ianao ary matoky Azy fa Izy dia handefa ny Fanahy Masina sy ny anjely hikarakara anao. Naneho ny fitiavany faratampony Izy rehefa naniraka ny Zanany Lahitokana ho faty ho anao—mba ho Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao!

Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, i Jesoa Kristy Tompo dia nandresy an’izao tontolo izao.17 Noho izany, Izy dia “mahery ka … mampahadio [anareo] amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”18 Hanafaka anareo amin’ny toe-javatra mampahory anareo indrindra Izy amin’ny fombany sy amin’ny fotoany manokana.19 Rehefa manatona Azy amim-pinoana ianao dia hitarika sy hitsimbina ary hiaro anao Izy. Hanasitrana ny fonao torotoro Izy ary hampionona anao amin’ny fahorianao.20 Hanome anao fahafahana hahazo ny heriny Izy. Ary hataony ho azo tanterahina ny tsy azo tanterahina eo amin’ny fiainanao.

I Jesoa Kristy no hany loharanon’ny fanantenana sy fiadanana ary fifaliana maharitra ho anao. Tsy hahavita mitovy toy ireo na oviana na oviana i Satana. Ary tsy hanampy anao na oviana na oviana i Satana.

Etsy ankilany, ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra dia ny manatanteraka “ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”21 Hanao izay rehetra azony atao Andriamanitra, afa-tsy ny hanitsakitsaka ny fahafahanao misafidy, mba hanampy anao hahazo ireo fitahiana lehibe indrindra ao amin’ny mandrakizay.

Manana fitiavana manokana ho an’ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana Aminy ao amin’ny ranon’ny batisa Andriamanitra.22 Ary hiorim-paka izany fitiavana masina izany rehefa misy fanekempihavanana fanampiny atao sy tandremana amim-pahatokiana. Ary amin’ny fiafaran’ny fiainana an-tany dia sarobidy ny fihaonan’ny zanaky ny fanekempihavanana tsirairay amin’ny Raintsika any An-danitra.23

Izy ihany koa dia miahy lalina tokoa fa ny zanany rehetra dia manana fahafahana handre ny vaovao mahafaly momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Efa maherin’ny enina arivo taona no nandefasan’ny Ray any An-danitra ireo zanany ety an-tany. Ny ankamaroan’ireo olona ireo dia mbola tsy nandray ireo ôrdônansy izay hahamendrika azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no maha-zava-dehibe ny tempoly. Izany no mahatonga ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly ho ny asa lehibe indrindra eto an-tany ankehitriny. Ianareo, ry mpiara-miasa amiko malala amin’ity asa masina ity, dia manana anjara toerana lehibe amin’izany fanangonana izany, ary misaotra anareo aho noho izany.

Izany no mitondra ahy amin’ilay lafin-javatra fahatelo.

Fantaro ny fahamarinana mifandray amin’ny fiovam-ponareo. Ny marina dia tsy maintsy mandray andraikitra manokana ianareo ho an’ny fiovam-ponareo manokana. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany eo amin’ny toeranareo.

Ankehitriny, mamelà ahy hanasa anareo handinika fanontaniana vitsivitsy? Te hahatsapa fiadanana mahakasika ireo olana mampahory anao ankehitriny ve ianao? Te hahafantatra tsara kokoa an’i Jesoa Kristy ve ianao? Te hianatra ny fomba ahafahan’ny heriny masina manasitrana ny ratranao sy ny fahalemenao ve ianao? Te hiaina ilay hery mamy sy mampitony avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy miasa eo amin’ny fiainanao ve ianao?

Mitaky ezaka—ezaka mafy ny fikatsahana ny hamaly an’ireo fanontaniana ireo. Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo.

Manaova vavaka isan’andro, amin-kafanam-po, ary amim-panetrentena. Fahano amin’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina ny fanahinareo. Angataho ny Tompo mba hampianatra anareo ny fomba hihainoana Azy tsara kokoa. Mandania fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly sy amin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.

Rehefa manao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.

Raha manana fanontaniana ianareo—ary manantena aho fa manana ianareo—dia mitadiava valiny miaraka amin’ny faniriana mafy ny hino. Ianaro izay rehetra azonareo hianarana momba ny filazantsara ary makà antoka fa ianareo dia hitodika any amin’ireo loharano feno fahamarinana mba hahazoana fitarihana. Isika dia miaina ao anatin’ny fotoampitantanana izay “tsy hisy na inona na inona hotanana.”24 Noho izany, rehefa mandeha ny fotoana, dia hamaly ny fanontaniantsika rehetra ny Tompo.

Mandra-pahatongan’izany dia arobohy ao anatin’ilay fitahirizana fanambarana manan-karena ananantsika eo am-pelatanantsika ny tenanareo. Mampanantena aho fa ny fanaovana izany dia hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo, na dia mbola tsy voavaly aza ny sasany amin’ireo fanontanianareo. Ny fanontanianareo amin-kitsimpo, apetraka amim-pinoana, dia hitarika hatrany amin’ny finoana lehibe kokoa sy fahalalana betsaka kokoa.

Raha toa ka miala amin’ny Fiangonana ny namana sy ny fianakaviana dia tiavo hatrany izy ireo. Tsy anjaranareo ny mitsara ny safidin’ny hafa tahaka ny hoe tsy mendrika mihitsy ny hokihanina noho ny fijanonana ho mahatoky ianareo.

Henoy aho rehefa miteny hoe: Aza mety ho voafitak’ireo izay misalasala noho ireo zavatra tsy hitanao eo amin’ny fiainany. Indrindra indrindra, aoka ireo namanao mpisalasala hahita ny halehiben’ny fitiavanao ny Tompo sy ny filazantsarany. Ataovy talanjona amin’ny fonao mino ny fon’izy ireo misalasala!

Rehefa mandray andraikitra momba ny fijoroana ho vavolombelonao ianao ary mampitombo izany dia ho lasa fitaovana mahery vaika kokoa eo am-pelatanan’ny Tompo. Hahazo “fitaomam-panahy avy amin’ny antony tsara kokoa” 25ianareo—dia ny asan’i Jesoa Kristy!

Tsy misy zava-mitranga manan-danja kokoa eto amin’ity tany ity mihoatra noho ny fanangonana an’i Israely ho Azy. Ampahafantaro ny Rainareo any An-danitra fa te hanampy ianareo. Angataho Izy haniraka anao hiasa amin’izany asa be voninahitra izany. Aorian’izany dia miataha kely ary ho talanjona ianao ny amin’ny zavatra mitranga rehefa mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao ianao.

Ry namako malala, tiako ianareo. Misaotra anareo aho. Matoky anareo aho. Amin’ny maha-mpaminanin’ny Tompo ahy dia mitsodrano anareo aho mba hahafantatra ny marina momba ny maha-ianareo anareo sy hankamamy ny fahamarinana momba ny hoe inona no tena fahafahana hivoatra feno voninahitra anananareo. Mitsodrano anareo aho mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelonareo. Ary mitsodrano anareo aho mba hanana faniriana sy hery hitandrina ny fanekempihavananareo.

Rehefa manao izany ianareo dia mampanantena aho fa hiaina fivoarana ara-panahy, fahafahana amin’ny tahotra, ary fahatokiana izay zara raha azonareo eritreretina amin’izao fotoana izao. Hanana ny hery hananana fitaomana tsara mihoatra lavitra noho ny fahaizanareo voajanahary ianareo. Ary mampanantena aho fa ny hoavinareo dia hahafaly kokoa noho izay rehetra azonareo inoana ankehitriny.

Izany no tsodrano apetrako aminareo, ary averiko indray ny fanehoako ny fankasitrahako sy ny fitiavako anareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Genesisy 2:18; Mosesy 3:18; Abrahama 5:14.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 93:36.

  3. Jereo ny 1 Korintiana 15:22.

  4. Jereo ny Jaona 11:25.

  5. Jereo ny Môrmôna 3:20.

  6. Jereo ny Jaona 14:2; 1 Korintiana 15:40; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:89–98; 131:1.

  7. Dallin H. Oaks, “Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray,” Liahona, mey 2022, 101.

  8. Jereo ny Almà 12:24; 34:32.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:22–24.

  10. Abrahama 3:26.

  11. Izao no nampianarin’ny Tompo ny vahoakan’i Amerika fahiny rehefa niresaka tamin’izy ireo Izy. Rehefa avy namaritra hoe iza Izy dia nilaza tamin’ny mpihaino Azy hoe iza izy ireo: “Ary indro, zanaky ny mpaminany ianareo; ary avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely; ary avy amin’ny fanekempihavanana” ( 3 Nefia 20:25; nampiana fanamafisana). Ireo fahamarinana ireo koa dia nambara tamin’ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:25).

  12. Zanaky ny Ray aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 113.

  13. Amin’ny maha-zatovovavy sy zatovolahy anareo dia mitanisa faneva manomboka amin’ny hoe “Zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra aho, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay” sy “Zanakalahy malalan’ Andriamanitra aho ary manana asa hampanaovina ahy Izy” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 11.1.2, 10.1.2, ChurchofJesusChrist.org).

  14. Maty tamin’ny faha-930 taonany i Adama (jereo ny Genesisy 5:5); maty tamin’ny faha-950 taonany i Noa (jereo ny Genesisy 9:29).

  15. Ny Filoha Orson Hyde (1805–78), Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa “nahatakatra zavatra tsara kokoa isika [tao amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana] noho ny fahatakarantsika eto amin’ity tontolo ambany ity.” Nanohy ny teniny izy, tamin’ny fanombantombanana ny amin’ireo fampanantenana azo inoana fa nataontsika tany: “Azo heverina ny nanaovantsika sonia ny lahatsoratra tamin’ny tanantsika manokana, izay lahatsoratra azo tazonina ao amin’ny arisiva etsy ambony, mba hatolotra antsika rehefa hitsangana amin’ny maty isika, ary hotsaraina avy amin’ny vavantsika, araka izay voasoratra ao amin’ny boky” (“Remarks,” Deseret News, 21 Des. 1859, 322).

  16. Romana 8:17.

  17. Jereo ny Jaona 16:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41.

  18. Almà 7:14.

  19. Manana ny hery hanafahana antsika tahaka ny nanafahany an’i Nefia teo an-tanan’i Labana ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 4:3).

  20. Jereo ny Lioka 4:18; Almà 7:10–12.

  21. Mosesy 1:39.

  22. Ao amin’ny fiteny hebreo ao amin’ny Testamenta Taloha, ny teny ho an’ny fanekempihavanam-pitiavan’ Andriamanitra dia hoe hesed.

  23. Jereo ny Salamo 116:15.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:28.

  25. Almà 43:45: “Satria tsy niady ho an’ny fitondran’andriamborivory na ny fahefana izy, fa niady kosa ho an’ny fonenany sy ny fahafahany, ny vadiny sy ny zanany ary izay rehetra ananany, eny, ho an’ny fombafomba fitsaohany sy ny fiangonany.”