Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Manokàna fotoana ho an’ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Manokàna fotoana ho an’ny Tompo

Miangavy anareo aho anio mba hanohitra ny fandrik’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana ho an’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.

Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, nahazo fampianarana tsara avy tamin’ireo mpanompon’ny Tompo izay efa nikatsaka tamim-pahavitrihana ny hahalala ny zavatra izay tian’ny Tompo holazain’izy ireo isika nandritra ny roa andro.

Nomena antsika ny zavatra izay tokony hataontsika ho an’ny enim-bolana manaraka. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia hoe hiova toy ny ahoana isika vokatry ny zavatra izay norenesintsika sy tsapantsika?

Nasehon’ilay valanaretina fa mora mivadika ny fiainana, indraindray avy amina toe-javatra izay tsy voafehintsika. Na izany aza dia maro ny zavatra azontsika fehezina. Mametraka ny laharam-pahamehantsika isika ary mamaritra ny fomba ampiasantsika ny herintsika sy ny fotoantsika ary ny fananantsika. Mamaritra ny fomba hifampitondrantsika amin’ny tsirairay amintsika isika. Isika no misafidy izay hitodihantsika mba hahazoana fahamarinana sy torolalana.

Manintona sy sesehena ireo feo sy faneren’izao tontolo izao. Saingy maro amin’ny feo no mamitaka sy manangoly ary afaka hanala antsika tsy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mba hisorohana ny ratram-po izay manaraka an’izany dia miangavy anareo aho anio mba hanohitra ny fandrik’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana ho an’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.

Raha tonga avy amin’ny tambajotran-tserasera na haino vaky jery hafa ny ankabeazan’ny fampahalalana azonao dia hihena ny fahafahanao mihaino ny bitsiky ny Fanahy. Ary raha toa koa ianao ka tsy mikatsaka ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny filazantsara isan’andro dia mamela ny tenanao ho lasa marefo amina filôzôfia izay mety ho mahaliana saingy tsy marina ianao. Na dia ny Olomasina izay mahatoky raha ny mahazatra aza dia mety ho tafiala an-dalana noho ny antsoantso tsy tapaka ataon’ny tarik’i Babylona.

Ry rahalahy sy ranabaviko, miangavy anareo aho mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo! Ataovy mafy orina sy tsy tontan’ny ela amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay mamela ny Fanahy Masina hiaraka aminareo mandrakariva ny fototra ara-panahinareo manokana.

Aza tsinontsinoavina velively ilay fahamarinana lalina fa “ny Fanahy dia milaza … ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany, sy ny amin’ny zavatra araka ny ho toetrany.”1 Izy dia “hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo.”2

Tsy misy zavatra manasa ny Fanahy kokoa mihoatra noho ny fibanjinana amin’i Jesoa Kristy. Miresaha momba an’i Kristy, mifalia ao amin’i Kristy, mivokisa amin’ny tenin’i Kristy, ary miboseseha handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy.3 Ataovy hoe fahafinaretana ny Sabata rehefa mitsaoka Azy ianareo sy mandray ny fanasan’ny Tompo ary mitandrina ny androny ho masina.4

Araka ny nohamafisiko anio maraina, miangavy anareo aho mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo ao amin’ny tranony masina. Tsy hisy zavatra izay hanamafy ny fototra ara-panahinao toy ny fanompoana sy ny fitsaohana ao amin’ny tempoly.

Misaotra anareo rehetra izay manamboatra ireo tempolintsika vaovao izahay. Aorina manerana izao tontolo izao izy ireny. Anio dia fifaliana ho ahy ny manambara ny drafitra novolavolaintsika mba hanorina tempoly fanampiny any amin’ireto toerana ireto na any akaikin’izany: Kaohsiung, Taiwan; Tacloban, Philippines; Monrovia, Liberia; Kananga, Repoblika Demôkratikan’i Kôngo; Antananarivo, Madagasikara; Culiacán, Meksika; Vitória, Brésil; La Paz, Bolivie; Santiago Andrefana, Chili; Fort Worth, Texas; Cody, Wyoming; Rexburg Avaratra, Idaho; Heber Valley, Utah; ary ny fanorenana indray ny Tempolin’i Provo Utah Temple rehefa vita ny fanokanana ny Tempolin’i Orem Utah.

Tiako ianareo ry rahalahy sy ranabavy malala. Fantatry ny Tompo ianareo ary tiany. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo. Mitarika sy manoro lalana ny Fiangonany Izy. Hitarika sy hanoro lalana anareo amin’ny fiainanareo manokana Izy raha toa ianareo ka hanokana fotoana ho Azy eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.

Enga anie Andriamanitra hiaraka aminareo mandra-pihaonantsika indray, mivavaka aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.