2011
Votoatiny
Ôktôbra 2011


Liahona, Ôktôbra 2011

Tonga soa ato amin’ity Laharana Manokana ity

Vitsy ny lohahevitra izay mendrika hanokanana laharana iray manontolo, fa iray amin’izany ny Bokin’i Môrmôna. Ato amin’ity laharana ity dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ity boky soratra masina miavaka ity ireo mpaminany taloha sy ankehitriny ary koa ireo mpikambana manerana an’izao tontolo izao. Mifono fahagagana ny fiaviany. Porofo mivaingana momba ny Famerenana amin’ny Laoniny izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Ary nosoratana ho an’ny androntsika izany—izay mampianatra mazava sy amin’ny fomba tsotra ny fotopampianaran’i Kristy mba hanorenana ny finoantsika ary hanamafisana orina ny fianakaviantsika.

Na dia tsy hahita ny ankamaroan’ireo departemanta mahazatra fahita amin’ny Liahona aza ianao, dia hita ato ny Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany (pejy 4) ary ny Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano (pejy 46). Ireo hafatra ireo sy ireo lahatsoratra rehetra hafa dia mizara fijoroana ho vavolombelona sy fampianarana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manasa anareo izahay handalina ombam-bavaka ity laharana ity, handray ireo hafatra ao am-ponareo ary hizara izany—ary ny Bokin’i Môrmôna—amin’ny hafa.

Maro amin’ireo sary ao amin’ity laharana ity no ahitana ny fampisehoana ny Liahôna izay azon’i Lehia. Tsy miafina ireo Liahôna ireo ary mety tsy dia tena hitovy amn’ity iray hita etsy ambony ity, saingy ianao sy ny fianakavianao dia afaka hifaly hitady ny isan’ireo Liahôna hitanareo ato amin’ity laharana ity.

Eo amin’ny fonony

Ao aloha: Sary nataon’i John Luke; Mba Hahafantaranao, nataon’i Gary Kapp, nahazoana lalana avy tamin’i Andriamatoa sy Ramatoa David Larsen, tsy azo adika. Ao ambadika: Sarin’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’i C.Harrison Conroy Co.