2011
Zatovo Roa Arivo
Ôktôbra 2011


Zatovo Roa Arivo

Amim-pahasahiana

1. Zatovo roa arivo, matanjaka mahery

Namaly ny antso nanao hoe “Vonona! ‘zahay tsy mba irery,

Ny Andriamanitray no miarak’ aminay.”

Fa vonon’izy ’reo hamoy ny ainy hoan’ny Ray.

2. Ny renin’izy ’reo no nampianatr’azy ’reo

Hiantehitr’ am’ ny Tompo hatrany am’ zay atao rehetra,

Fa Izy no hiaro sy hanafak’ azy ’reo.

Nahafan-tatr’ ‘zany ny reniny; nahatoky tsy nisy fe-petra.

3. ’Reto zanak’ i Helamana, toa mpirahalahy m’ray hina,

Niray tam-pinoana, tsy natahotra fa sahy,

Naniry ny mba ho afaka, tsy tehandatsa-drà,

Niady hoan’ fahafahana, hoan’ ny fianakaviana.

Zatovo roa arivo, nitafy herim-po,

Feno herin’ Andriamanitra, ka avotr’avokoa.

Finoana no namp’ tombo ny herin’ izy ireo.

Na hery tokoa izy ‘reo satria ny Tompo dia momba azy ’reo.

© 2009 an’i Bonnie Hart Murray sy Janice Kapp Perry. Zo rehetra voatokana. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokantrano na any am-piangonana ka tsy hitadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy ampidirina ao amin’ny tahadika tsirairay izay havoaka.