2016
Inona no azoko atao mba hahatonga ny tokantranoko ho toerana feno fiadanana?
October 2016


Valinteny avy amin’ny Apôstôly iray

Inona no azoko atao mba hahatonga ny tokantranoko ho toerana feno fiadanana?

Nalaina tao amin’ny “Tempoly masina, tokantrano masina,” Liahona, mey 2009, 101–03.

Sary
how can I help make my home a peaceful place

Azontsika atao ny manao izay hahatonga ny tokantranontsika ho toerana feno fiadanana sy masina tahaka ny tempoly.

Manampia mba hihazonana mandrakariva ny tokantranonao ho madio sy milamina.

Manantona sarin’i Jesoa na ny tempoly ao amin’ny tokantranonao.

Apetraho ao amin’ireo efitrano ahafahan’ny fianakavianao miara-mandalina sy miara-mianatra ny soratra masina.