2016
Fomba hoenti-mianatra
October 2016


Fomba hoenti-mianatra

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Andramo ireto fomba efatra ireto mba ho fy aminao ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
recipe for learning

Fony aho mbola kely dia nandany ora maro nijery ny reniko tao an-dakozia. Nahandro ny sakafo, ny mofo, ny cookies, ary ny mofomamy matsiro indrindra ho an’ny fianakavianay izy. Rehefa elaela taty aoriana dia nanomboka namaky momba ireo karazan-tsakafo azo atao aho, nanaraka ireo toromarika, ary nanamboatra sakafo. Tsy nila niantehitra tamin’ny reniko aho—afaka nanao izany irery aho.

Tahaka ny fianarana mahandro sakafo no ianarantsika ny filazantsara ka hampitomboantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny fanaovana izany. Rehefa avy nitantara ny nofiny momba ny hazon’aina tamin’ny fianakaviany i Lehia dia nilaza i Nefia fa naniry ny “hahita sy handre ary hahalala ny amin’ireo zavatra ireo” izy (1 Nefia 10:17). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy ampy an’i Nefia ny nihaino ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny rainy. Te-hianatra ny zavatra efa fantatry ny rainy izy.

Ny fomba hoenti-mianatra ny filazantsara dia ahitana dingana tsotra vitsivitsy. Afaka mampiasa ireto hevitra efatra manaraka ireto ianao mba hanampiana anao amin’ny fianaranao ny filazantsara miaraka amin’ny fianakavianao, na any am-piangonana, na mandritra ny fandalinanao manokana.

1. Miomàna hianatra.

Atombohy amin’ny vavaka ny fandalinanao manokana. Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra vakinao. Manorata fanontaniana iray na roa dia tadiavo ny valiny. Hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ny Fanahy Masina rehefa mamaky sy misaintsaina ary mivavaka ianao (jereo ny Môrônia 10:5).

Omano amin’ny alalan’ny famakiana ny lesona mialoha ny handehananao ny fianarana ny filazantsara any am-piangonana. Ireo lesona Viens et suis moi dia azo jerena “en ligne” ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny application Gospel Library.

2. Mandraisa anjara amin’ny fianaranao.

  • Vakio ny lesona sy ny soratra masina mba hahazoana fahatakarana. Tsy manan-danja tahaka ny fahatakarana ny zavatra vakinao ny isan’ny pejy vakinao na ny hafainganan’ny famakianao izany. Mety mila mamerina mamaky fehezanteny vitsivitsy imbetsaka ianao. Mampiasà rakibolana mba hijerena ireo teny tsy fantatrao. Ohatra: inona no dikan’ny hoe fotoampitantanana? Afaka mampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina ianao mba hahitana izany.

  • Mametraha fanontaniana momba ny zavatra vakinao. Mety manontany tena ianao hoe: “Fa inona no nitranga tany Jerosalema tamin’ny fotoana nialan’i Lehia sy ny fianakaviany tany? Nahoana ny olona no tsy nihaino an’i Lehia?

  • Andramo valiana ireto fanontaniana telo ireto mikasika ny fampianarana filazantsara izay tianao: Nahoana ity zavatra iray ity no nanan-danja tamin’ireo olona tamin’izany fotoana izany? Mahakasika antsika amin’ny fomba ahoana izany amin’izao fotoana izao? Mahakasika ahy amin’ny fomba ahoana izany?

  • Tadiavo ireo ohatra sy ireo zavatra ifandraisana. Ohatra, inona ireo ohatra fantatro amin’ny fomba nentin’i Nefia niatrika fahoriana? Inona no mampitovy ny dia nataon’ny fianakaviany tany an-tany foana amin’ny dia nataon’ny Isiraelita niala tao Egypta?

  • Soraty ao anatin’ny diary iray ny zavatra tsapanao sy ny eritreritra tonga ao aminao. “Rehefa manoratra ireo fahatsapana sarobidy ianao dia hisy maro kokoa izay ho tonga matetika. Ny fahalalana azonao ihany koa dia ho azonao ampiasaina mandritra ny androm-piainanao manontolo” (Richard G. Scott, “To Acquire Knowledge and the Strength to Use It Wisely,” Liahona, aog. 2002, 12, 14). Ny dikan’ireo hevitra ireo eo amin’ny fiainanao indrindra indrindra no tokony hosoratanao.

  • Manaova sary. Fomba iray hafa hiraketana ny zavatra ianaranao ny fanaovana ny sarin’izany. Indray mandeha raha nandeha namangy namana iray aho hanao takarivan’ny mpianakavy dia nizara tantaran’ny tena manokana mikasika ny finoana sy ny vavaka ny renibeny. Mialoha ny lesona dia nomen’ilay namako taratasy sy pensilihazo ireo zanany mbola kely mba hahafahan’izy ireo manao sary ireo tantara teo am-pitantaran’ny renin’ny reniben’izy ireo izany. Ny fanaovana sary dia nanampy azy ireo hifantoka, ary nametraka fanontaniana mihitsy aza izy ireo nandritra ilay fanaovana sary mba hampahazava ny ampahany amin’ilay tantara.

3. Halalino sy iaino isan’andro ny filazantsara.

Mitaky ezaka ny fianarana. Mila milofo amin’ny fahalalana isika (jereo ny Môsià 12:27). Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoro hevitra antsika “hanamboatra fotoana sy hanokana toerana handalinana ny soratra masina isan’andro, na dia mandritra ny minitra vitsy fotsiny aza izany” (“When Shall These Things Be?” Ensign, des. 1996, 60). Rehefa mandalina tsy tapaka isika dia lasa mora kokoa ny mianatra. Ohatra, hitako fa rehefa tena namaky marina ireo tokon’i Isaia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho (fa tsy mandingana izany fotsiny) dia nanomboka azoko izy ireo.

Raha ny fianarana filazantsara indray no resahina dia tsy ampy ny mahafantatra fotsiny ny momba ny zavatra iray. Mila mampihatra ny zavatra ianarantsika ihany koa isika. Rehefa ampiharintsika ny fahamarinana iray dia manamafy izany amintsika ny Fanahy Masina, ary mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Rehefa miaina tsy tapaka izany fahamarinana izany isika dia manomboka miova, manjary miova fo ho an’i Jesoa Kristy.

4. Zarao ny zavatra ianaranao.

Ny filazana fitsipiky ny filazantsara amin’ny tenintsika manokana amin’ny hafa dia manampy antsika hitadidy izany fitsipika izany sy hahatsapa ny Fanahy, izay mampahatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ny fotoana tsara hizarana izany matetika dia mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Afaka mizara izany ihany koa ianao rehefa miresaka amin’ireo namanao any an-tsekoly na amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao amin’ny fotoana fisakafoana.

Rehefa manaraka ireo dingana tsotra efatra ireo isika ary mikatsaka amim-pahazotoana ny hahafantatra ny Mpamonjy dia ampanantenaina fa “hovelabelarina [amintsika] amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny mistery momba an’ Andriamanitra” (1 Nefia 10:19).