2019
Ilay tanjona izay hanova ny fomba hanompoantsika
Janoary 2019


Sary
ministering

Fitsipika momba ny fanompoana, janoary 2019

Ilay tanjona izay hanova ny fomba hanompoantsika

Na dia maro aza ny tanjona hanompoana, ny asa ataontsika dia tokony hotarihin’ny faniriana hanampy ny hafa hahatratra fiovam-pon’ny tena manokana lalina kokoa sy ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Rehefa tia ny hafa tahaka ny Mpamonjy isika dia te hanampy azy ireo tahaka izay nataony. Amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy dia Izy no ohatra faratampony amin’ny fanompoana tena manan-danja.

Rehefa ampitoviantsika amin’ny Azy ny fomba hanompoantsika dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny ezaka nataony mba hitia, hampahery, hanompo, ary hitahy dia nanana tanjona lehibe kokoa noho ny fanomezana fotsiny ihany ny zavatra nilain’ny olona teo no ho eo. Mazava ho azy fa fantany ny zavatra nilain’izy ireo isan’andro ary nanana fangorahana Izy tamin’ny fahoriana nolalovan’izy ireo tamin’izany fotoana izany. Noho izany dia nanasitrana, nanome hanina, namela heloka, ary nampianatra Izy. Kanefa Izy dia naniry ny hanao zavatra mihoatra ny fanalana ny hetaheta eo no ho eo (jereo ny Jaona 4:13–14). Ny olona rehetra nanodidina Azy dia tiany hanaraka Azy (jereo ny Lioka 18:22; Jaona 21:22), sy hahafantatra Azy (jereo ny Jaona 10:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:22–24), ary hanatratra ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’Andriamanitra (jereo ny Matio 5:48). Mbola marina izany amin’izao fotoana izao ( jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:13).

Marobe ireo fomba azontsika hitondrana fitahiana ho an’ny hafa, kanefa rehefa ny hanampy ny hafa hahafantatra ny Mpamonjy sy ho tonga tahaka Azy bebe kokoa no tanjontsika faratampony, dia hiasa isika mba hahatratra ilay fotoana izay tsy ilantsika intsony mampianatra ny namantsika mba hahafantatra ny Tompo satria hahalala Azy daholo isika rehetra (jereo ny Jeremia 31:34).

Nihoatra lavitra ny fijerena ireo zavatra nilaina teo no ho eo ny fifantohan’ny Mpamonjy

  • Nisy olona maromaro nanao ezaka lehibe nitondra ny namany hankeny amin’i Jesoa mba hositranina tamin’ny paralysisa. Tamin’ny farany dia nositranin’ny Mpamonjy ilay lehilahy, saingy nahaliana Azy bebe kokoa ny hamela fahotan’ilay lehilahy (jereo ny Lioka 5:18-26).

  • Rehefa nentin’ny vahoaka teo amin’ny Mpamonjy ilay vehivavy tratra nijangajanga, dia niaro ny ain’ilay vehivavy ara-batana ny tsy fihazonany ny fanamelohana azy. Kanefa Izy dia naniry ny hanavotra azy ara-panahy ihany koa, ka niteny taminy hoe “mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (jereo ny Jaona 8:2–11).

  • Nampitondra hafatra ho an’i Jesoa i Maria sy i Marta izay nangataka Azy ho avy hanasitrana an’i Lazarosy naman’i Jesoa. I Jesoa, izay efa nanasitrana ny hafa tamin’ny fotoana marobe, dia nanemotra ny fahatongavany ka tsy tonga Izy raha tsy taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy. Fantatr’i Jesoa ny zavatra nilain’ilay fianakaviana, kanefa rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy dia nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo amin’ny maha-Andriamanitra Azy (jereo ny Jaona 11:21–27).

Inona ireo ohatra hafa azonao ampidirina ao amin’io lisitra io?

Inona no azontsika hatao?

Raha ny hanampy ny hafa ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa no tanjontsika dia hanova ny fomba hanompoantsika izany. Ireto misy fomba vitsivitsy hahafahan’izany fahatakarana izany mitarika ny ezaka ataontsika mba hanompo.

Hevitra 1: Ampifandraiso amin’ny Mpamonjy ny asa fanompoana

Mendrika ny hotanterahina avokoa ny ezaka ataontsika mba hanao ny tsara, kanefa afaka mitady fahafahana isika hanatsarana ny fanompoantsika amin’ny alalan’ny fampifandraisana izany amin’ny Mpamonjy. Ohatra hoe, raha marary ilay fianakaviana izay tompoinao, dia mety hanampy ny fikarakarana sy fanomezana sakafo, kanefa ilay fanehoam-pitiavana tsotra ataonao dia azo ampitomboina amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo. Tena ho hankasitrahana tokoa ny fanampianao amin’ny fikarakarana zaridaina, kanefa mety ho azo atao manan-danja kokoa raha miampy fanolorana tsodranon’ny fisoronana.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny olona iray manam-pitiavana dia afaka manampy olona hanamboatra kodiarana, mitondra namana mpiray efitra amin’ny tena mankany amin’ny mpitsabo, miara-misakafo amin’ny olona malahelo, na mitsiky dia miarahaba mba hampamiratra ny andron’ny olona iray.

“Saingy ny olona iray mpanaraka ilay didy voalohany dia hanao zavatra hafa hanampiana ireo asa maneho fanompoana manan-danja ireo.”1

Hevitra 2: Mifantoha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Rehefa niresaka voalohany tamin’ny mpikambana amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy ny Filoha Russell M. Nelson dia hoy izy hoe: “Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.” Ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana “dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa misy.”2

Isika Olomasin’ny Andro Farany dia atao batisa, raisina ho mpikambana ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mandray ny fisoronana ny mpikambana lehilahy mendrika. Mandeha any amin’ny tempoly isika mba handray fanafiana masina sy hofehezina miaraka mba ho lasa fianakaviana mandrakizay. Tena ilaintsika ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo sy ny fanekempihavanana miaraka aminy mba hahatongavantsika tahaka Azy ka hahafahantsika miaraka Aminy.

Afaka mitana anjara asa manan-danja isika amin’ny fanampiana ny hafa eo amin’izany lalana izany rehefa manampy azy ireo isika mba hitandrina ny fanekempihavanany sy hiomana hanao fanekempihavanana amin’ny ho avy.3 Ahoana no ahafahanao manampy ny isam-batan’olona na ny fianakaviana tompoinao mba handray ny ôrdônansy manaraka izay ilainy? Ohatra azo atao amin’izany ny manampy ny raim-pianakaviana iray hiomana hanao batisa ny zanany vavy, ny manazava ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana manaraka tokony hatao, na ny mizara ireo fomba hahazoana traikefa manan-danja kokoa amin’ny fanavaozana ny fanekempihavanantsika eo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Hevitra 3: Manaova fanasana sy fandrisihana

Rehefa tonga ny fotoana maha-mety izany dia mifampilà hevitra amin’ireo olona karakarainao mahakasika ny fiovam-pon’izy ireo sy ny ezaka ataony mba hitovy bebe kokoa amin’i Kristy. Ampahafantaro azy ireo ny tanjaka izay hitanao sy ankasitrahanao ao amin’izy ireo. Fantaro ny zavatra izay tsapan’izy ireo fa azony hatsaraina ary miresaha momba ny fomba azonao hanampiana. (Mba hahazoana fahalalana bebe kokoa momba ny fifampilana hevitra amin’ireo izay tompoinareo, dia jereo ny “Mifampilà hevitra mikasika ny filàn’izy ireo,” Liahona sept. 2018, 6–9.)

Aza matahotra ny hanasa azy ireo hanaraka ny Mpamonjy sy hamela Azy hanampy azy ireo hahatratra ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Io fanasana io dia afaka manova fiainana, rehefa ampiarahana amin’ny fanehoanao ny fatokianao azy ireo sy ny finoanao Azy.

Fomba miisa enina azontsika hanampiana ny hafa hivoatra mankany amin’i Kristy

Ireto misy soso-kevitra entina manohana ny hafa amin’ny fitondrana fanatsarana eo amin’ny fiainana sy ny fandrosoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. (Jereo ny Torio ny filazantsarako, fizarana 11, mba hijerena hevitra bebe kokoa.)

  1. Mizarà. Aoka ianao mba ho mahitsy fo sy sahy rehefa mizara ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao rehefa niezaka nanakaiky Azy bebe kokoa ianao tamin’ny alalan’ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara na dia teo aza ireo olana indraindray.

  2. Mampanantenà fitahiana. Mila antony hiovana ny olona, izay mahasarika kokoa noho ireo antony tsy tokony hiovana. Ny fanazavana ireo fitahiana miaraka amin’ny asa iray izay atao dia afaka manome fandrisihana mahery vaika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21).

  3. Manolora fanasana. Ny fiainana fitsipiky ny filazantsara iray dia mitondra fijoroana ho vavolombelona fa marina ilay fitsipika (jereo ny Jaona 7:17) ary mitarika ho amin’ny fiovam-po lalina kokoa.4 Saika ho ny fifaneraserana aman’olona rehetra no azo ampidirana fanasana tsotra iray hanao zavatra izay hanampy azy ireo hivoatra.

  4. Miaraha manao drafitra. Inona no tokony hitranga ho an’izy ireo mba hitandremany amim-pahombiazana ny fanolorantenany hiova? Ahoana no fomba ahafahanao manampy? Misy zavatra tokony hitranga ao anatin’ny fe-potoana iray voafaritra tsara ve?

  5. Manolora fanohanana. Raha ilaina izany dia manangàna rafitra ahitana olona afaka manohana izay afaka manampy ny olona tsirairay hanana faharisihana sy hahomby hatrany. Mila olona mpankahery daholo isika.

  6. Mandraisa andraikitra hanaraha-maso. Hifampiresaho matetika ny fivoarana. Mifantoha hatrany amin’ilay drafitra, kanefa hatsarao izany raha ilaina. Manàna faharetana, mikiriza hatrany, ary mahaiza mankahery. Mety hitaky fotoana ny fiovana.

Fanasana mba hanao asa

Mieritrereta fomba— kely sy lehibe—izay hahafahan’ny ezaka ataonao mba hanompo manampy ny hafa hampiorim-paka ny fiovam-pony sy ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Fanamarihana

  1. Neil L. Andersen, “A Holier Approach to Ministering” (Brigham Young University devotional, Apr. 10, 2018), 3, speeches.byu.edu.

  2. Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 7.

  3. Jereo ny Henry B. Eyring, “Zanakavavy ao amin’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2014, 125–28.

  4. Jereo ny David A. Bednar, “Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 106–109.