2019
Fampitomboana ny fananana fangorahana mba ho entina manompo
Febroary 2019


Sary
ministering

Ireo fitsipika momba ny fanompoana, Febroary 2019

Fampitomboana ny fananana fangorahana mba ho entina manompo

Mampitraka ny fanompoana. Afaka mampitraka ny hafa isika rehefa miezaka mahatakatra ny zavatra iainan’izy ireo ary mampiseho fa vonona ny hisedra izany miaraka amin’izy ireo.

Noho isika tian’ny Raintsika any An-danitra hitovy Aminy, dia afaka ny ho lasa fahafahana mianatra zavatra ireo fanamby atrehantsika eto amin’ity fiainana ity raha toa isika mahatoky Azy sy mijanona eo amin’ilay lalana. Indrisy fa mety ho sarotra tokoa ny mijanona eo amin’ilay lalana rehefa mahatsapa isika fa miatrika ireo fitsapana ireo samirery.

Saingy tsy natao velively handeha irery hamakivaky ilay lalana isika. Ny Mpamonjy dia nahatratra ny fangorahana tonga lafatra, nidina tambanin’ny zavatra rehetra mba hahafantarany ny fomba hamonjena antsika amin’ny fahoriana sy ny fahalementsika (jereo ny Almà 7:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8). Manantena antsika tsirairay Izy hanaraka ny ohatra nasehony ary haneho fahaizana mangoraka ihany koa. Ny mpikambana tsirairay an’ny Fiangonana dia nanao fanekempihavanana “hiara-malahelo amin’ izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môsià 18:9). Na dia eo aza ireo fanamby hatrehantsika manokana, dia ampianarina isika manerana ny soratra masina hitodika amin’ny hafa ary “[hampiakatra] ny tanana miraviravy, sy [hanatanjaka] ny lohalika malemy” ary “[hanao] lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa” (Hebreo 12:12–13; jereo ihany koa ny Isaia 35:3–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5–6).

Rehefa mandray ny tanan’ny hafa isika, sy mamela azy ireo hiankina amintsika ary miara-mandeha amin’izy ireo, dia manampy azy ireo hijanona maharitra eo amin’ilay lalana ka ampy ahafahan’ny Mpamonjy tsy hoe hampiova fo azy ireo fotsiny—izay iray amin’ireo tanjona fototry ny fanompoana—fa hanasitrana azy ireo ihany koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:13).

Inona no atao hoe fangorahana?

Ny hoe fangorahana dia ny fahatakarana ireo fahatsapan’ny olona hafa iray, sy ny eritreriny ary ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny, fa tsy amin’ny fomba fijerintsika manokana.1

Manan-danja ny fahaizana mangoraka eo amin’ny ezaka ataontsika hanompo ny hafa sy amin’ny fanatanterahana ny tanjontsika amin’ny maha rahavavy sy rahalahy mpanompo antsika. Izany dia mamela antsika hametraka ny tenantsika eo amin’ny toeran’ny hafa.

Mametraka ny tenantsika eo amin’ny toeran’ny hafa

Misy tantara iray momba ny lehilahy Olomasin’ny Andro Farany saro-kenatra iray izay mazàna no nipetra-drery teo amin’ny dabilio aoriana indrindra tao amin’ny trano Fiangonana. Rehefa maty tampoka ny loholona iray tao amin’ny kôlejin’ny loholona dia nanome tsodranon’ny fisoronana ny Eveka ho fampiononana ny fianakavian’ilay loholona. Nitondra sakafo tany ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Namana tsara sitrapo sy mpiray monina maro no namangy sy nilaza hoe: “Ampahafantaro anay raha misy zavatra azonay hanampiana.”

Saingy ity lehilahy saron-kenatra ity rehefa namangy an’ilay fianakaviana taty aoriana tamin’io andro io, nandondona teo am-baravarana izy ary rehefa namoha ilay mananotena, dia niteny fotsiny ilay lehilahy hoe: “Tonga aho mba hanadio ny kiraronareo.” Tao anatin’ny ora maromaro dia nadio sy namiratra avokoa ny kiraron’ny fianakaviana manontolo, vonona amin’ny fandevenana. Ny Alahady manaraka an’io dia nipetraka niaraka tamin’ilay lehilahy saro-kenatra teo amin’ny dabilio aoriana ny fianakavian’ilay loholona maty.

Indro lehilahy izay afaka namita ny zavatra iray nilaina nefa tsy mbola vita. Samy notahiana na izy na izy ireo noho ny fanompoana nentanim-pangorahana natolony.

Ahoana no ahafahako manana fangorahana?

Ny olona sasany dia ohatran’ny voatahy nahazo fanomezam-pahasoavana mahay mangoraka. Fa ho an’ireo izay sahirana amin’izany, dia misy ny vaovao mahafaly. Tao anatin’ny 30 taona mahery izay dia nihamaro ireo nandalina mikasika ny fangorahana. Raha maro amin’izy ireo no nandalina io lohahevitra io tamin’ny alalan’ny fomba maro samihafa, ny ankamaroan’izy ireo dia miaiky fa ny fangorahana dia zavatra azo ianarana.2

Afaka mivavaka isika mba hahazo fanomezam-pahasoavana mahay mangoraka. Mba hahafahana mihatsara dia manampy ihany koa ny fahatakarana tsara kokoa ny fomba fiasan’ny fangorahana. Ireto sosokevitra manaraka ireto dia eken’ny be sy ny maro ho toy ny singa fototry ny fangorahana.3 Rehefa mitranga izy ireo matetika dia tsy tonga saina akory isika hoe mitranga izy izany, kanefa ny fahatsapana azy ireo dia manome fahafahana antsika hahita fomba ahafahana hivoatra.

1.Mahatakatra

Ny fangorahana dia mitaky fahatakarana ny toe-javatra mitranga amin’ny hafa. Arakaraka ny ahatakarantsika ny toe-javatra misy azy ireo no maha-mora ny fahatakarana hoe ahoana no fahatsapan’izy ireo momba izany sy hoe inona no azontsika hanampiana.

Ny fihainoana tsara, sy ny fametrahana fanontaniana ary ny fifanakalozan-kevitra amin’izy ireo sy amin’ny hafa dia asa manan-danja ilaina mba hahatakarana ny toe-java-misy azy ireo. Mianara misimisy kokoa mikasika ireo hevitra ireo ao anatin’ireo lahatsoratra navoaka teo aloha mikasika ny fitsipika momba ny fanompoana:

  • “Zavatra dimy ataon’ny olona mahay mihaino,” Liahona, Jona 2018, 6.

  • “Mifampilà hevitra mikasika ny filàn’izy ireo,” Liahona, Sept. 2018, 6.

  • “Mampandray anjara ny hafa ao anatin’ny fanompoana—araka izay ilaina,” Liahona,Okt. 2018, 6.

Rehefa miezaka ny hahatakatra isika dia tsy maintsy maka fotoana hahatakarana ny zavatra manokana iainan’izy ireo fa tsy mionona fotsiny amin’ny vinavina nifototra tamin’ny traikefan’olon-kafa mitovy amin’izany. Raha tsy izany dia mety tsy ho takatsika ilay toe-javatra ary dia mamela azy isika hahatsapa hoe tsy azontsika ny tiany ho tenenina.

2.Mahazo sary an-tsaina

Eo am-piezahana hanaja ny fanekempihavanana nataontsika mba hiara-malahelo amin’izay malahelo sy hampionona ireo izay mila fampiononana, dia afaka mangataka ny Fanahy Masina isika hanampy antsika hahatakatra ny zavatra izay mety ho tsapan’ny olona iray sy ny fomba ahafahantsika manampy.4

Raha vao takatsika ny toe-javatra misy ny olona iray, dia samy afaka isika tsirairay avy, na hitranga ho azy izany na tsia, mandalo amin’ilay fakana sary an-tsaina hoe inona no ho noeritreretintsika na ho tsapantsika raha isika no teo amin’izany toe-javatra izany. Ny fahatakarana ireo eritreritra sy fihetseham-po ireo miaraka amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia ahazoana tari-dalana eo amin’ny zavatra hataontsika eo anatrehan’ny toe-javatra iainan’izy ireo.

Rehefa lasa takatsika ireo toe-javatra iainan’ny olon-kafa ka azontsika sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo, dia zava-dehibe ny tsy hitsaratsarantsika azy ireo fahatany (jereo ny Matio 7:1). Ny fitsikerana ny fomba nahatonga ny olona iray ho tonga amin’ilay toe-javatra misy azy dia mety hitarika antsika hanao tsinontsinona an’ilay fanaintainana naterak’ilay toe-javatra misy.

3.Mamaly

Ny fomba hamaliantsika dia manan-danja satria miseho amin’ny alalan’izany ny fahaizantsika mangoraka. Tsy hita isa ireo fomba hampitana ny fahatakarantsika na amin’ny alalan’ny teny ambara izany na amin’ny alalan’ny fihetsika. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny tanjontsika dia tsy voatery hoe ny hamaha ilay olana. Matetika ny tanjona dia ny hampitraka sy hankahery fotsiny amin’ny famelana azy ireo hahafantatra fa tsy irery akory izy ireo. Mety hidika izany hoe miteny hoe: “Faly tokoa aho fa nolazainao tamiko” na “Tohina tokoa ny foko. Azoko antsaina fa tena mafy izany.”

Amin’ny tranga rehetra dia tsy maintsy ho avy amin’ny fo ny valintenintsika. Ary rehefa mety, ny famelana ny hafa hahita ny fahalemenao sy ny tebiteby mahazo anao dia afaka manorina fahaizana mifandray tena manan-danja.

Fanasana hanao asa

Rehefa mandinika ny toe-java misy eo amin’ireo olona izay tompoinao ianao, dia alaivo sary an-tsaina hoe ianao no eo amin’ny toerany ka inona no hitanao fa tena manampy raha toa ka ianao no eo amin’ny toerany. Mivavaha mba hahatakarana ny zavatra tsapan’izy ireo ary araho izany. Mety ho tsotra ny zavatra asetrinao, kanefa ho manan-danja izany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny W. Ickes, Empathic Accuracy (1997); sy ny M. L. Hoffman, Empathy and Moral Development: Implications for Caring and Justice (2000).

  2. Jereo, ohatra, ny Emily Teding van Berkhout and John M. Malouff, “The Efficacy of Empathy Training: A Meta-Analysis of Randomized Controlled Trials,” Journal of Counseling Psychology (2016), 63(1), 32–41.

  3. Jereo ohatra, ny Brené Brown, I Thought It Was Just Me (But It Isn’t) (2008); Theresa Wiseman, “A Concept Analysis of Empathy,” Journal of Advanced Nursing (1996), 23, 1162–67; ary ny Ed Neukrug and others, “Creative and Novel Approaches to Empathy: a Neo-Rogerian Perspective,” Journal of Mental Health Counseling, 35(1) (Jan. 2013), 29–42.

  4. Henry B. Eyring, “Ilay Mpampionona,” Liahona, Mey 2015, 17–21.